Politique

Tonton Ambroise Avoahy ireo gadra politika !


  • Alatsinainy 07 Novambra 2011


 Manana praiminisitra vaovao ny tetezamita, hatramin’ny alarobia 02 novambra 2011, amin’ny alalan’Atoa Omer Beriziky, natolotry ny raiamandreny Zafy Albert, izay nanome lanja ny fihavanana tamin’ny safidy nataony, hamaranana izao krizy izao, hoy i Tonton Ambroise, filoha nasionalin’ny antoko FRDL (Frond Républicain Démocrate Légaliste) miara-dia amin’ny Rodoben’ny Malagasy ary mpiray ombon’antoka amin’ny Dina Repoblikanina.

Tsy izahay no hanao volo manoha randrana na koa ho sakana amin’izany, hoy i Tonton Ambroise tamin’ny fanambarana nataony, fa maniry ny hahatafitany hatramin’ny farany ny andraikitra nankinina aminy, dia ny hiverenan’ny fifampitokisan’ny samy Malagasy sy amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny, ny hiverenan’ny fandriampahalemana sy ny fitoniana politika ary sosialy, ny hampirisihana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fiainam-pirenena anatin’ny fanajana ny zon’olombelona, hahafahana mikarakara fifidianana malalaka, mangarahara ary ekena sy ankatoavin’ny rehetra. Mampahatsiahy amin’ny praiminisitra Omer Beriziky anefa i Tonton Ambroise fa ny fisian’ny fitoniana politika dia manomboka amin’ny famoahana avy hatrany ireo gadra politika, sivily sy miaramila, ny fodiana an-tanindrazan’ireo sesitany rehetra noho ny antony politika na ara-pahasalamana. Voarakitra amin’ny andininy faha-20 ao anatin’ny tondrozotra rahateo io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT