Tontolo politika

Tafita ny mpanohitra raha mahay miray hina


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Efa nanomboka nafampana ny tontolo politika tamin’ny herintaona tahaka izao mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena ;

maro ireo kandida efa nihetsiketsika sy nanao pré-campagne ka nitety toeran amaro manerana ny nosy. Rehefa maro loatra ny tranga mampiahiahy ary anisan’ny tena goavana tamin’ireny ny fahafantarana fa hay mizaka ny zom-pirenenba frantsay ny filoham-pirenena am-perinasa ary izy mihitsy no nangataka izany. Notoherin’ny maro an’isa tamin’ireo kandida io hoe filoha vazaha mbola mahazo milatsaka ho fidiana io, notakiana ihany koa ny fanamboarana ny firafitry ny HCC sy ny CENI mba tena ho fifidianana azo atokisana sy madio marina jo atao eto fa tsy sanatria sarintsarina fifidianana. Dia raikitra moa ny diabe sy ny hetsika fotsy, mafimafy ny adihevitra, nisy ny fifandonana, maro ireo naratra, nisy namoy ny ainy , nisy nosamborina sy nampidirina am-ponja ihany koa. Na dia hita nikorapaka ihany aloha ny antokon’ny fitondrana, tsy te hahalala hatramin’ny farany izy ireo fa dia natao letrezana ny fifidianana ary lany fanindroany i Andry Rajoelina.
MILA MIRAY HINA
Amin’izao septambra 2024 izao, taorian’ny fifidianana solombavambahoaka ary nanehoan’ny mpifidy ny safidiny dia hita mazava be fa nihena ny herin’ny antoko eo amin’ny fitondrana indrindra fa ho an’ny eto Antananarivo renivohitra sy ny tanàn-dehjibe sasany manerana ny nosy. Na ny firafitry ny governemanta aza dia nahitana taratra fa nakisaka ireo olon’ny fitondrana mpisolelaka sy mpanao vava be. Raha ny tena marina dia miha mahazo tanjakna izany ny mpanohitra amin’izao fotoana, ary ny fihetsiky ny fitondram-panjakana mampiasa indray ireo mpitandro filaminana mba hanakatsakanana ny mpanohitra dia vao miha manaratsy endrika ilay fitondram-panjakana ary mametraka zavatra ao an-dohan’ny olona hoe io indray ilay jadona. Raha tena mahay paikady politika noho izany ny mpanohitra dia tsy maintsy hisy akony any amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao zava-misy izao ka mety mbola hitombo hatrany ny faharesen’ny antokon’ny fitondrana. Misy fepetra kosa anefa ny fahatanterahan’izany dia ny hoe : tsy maintsy miray hina ny mpanohitra fa tsy manao an’ilay samy maka ho azy dia idiran’ny fanjakana moramora dia rava indray ny tsena.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT