Politique

Tontolo politika Nodimandry omaly i Hary Naivo Rasamoelina


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Nodimandry teo amin’ny faha-67 taonany omaly 07 jona 2023 tamin’ny 01 ora maraina Atoa Hary Naivo Rasamoelina, andrarezin’ny politika,

isan’ny nanamarika ny tantaram-pirenena. Aretin’ny fo sy ny voa no nandavo azy satria voalaza fa efa tsaboina amin’ny alalan’ny “dialyse” izy, saingy izao tsy tana izao ny ainy. Mpikambana teo anivon’ny Birao politikan’ny Arema tamin’ny Rapoblika II-IIInanangana ny Antoko DHD Madagascar na Dina Maha-olona ho an’ny Demokrasia, efa Filoha lefitry ny filankevitra ambonin’ny tetezamita. Isan’ireo Malagasy nalefan’ny Filoha Ratsiraka nandeha niofana tany Russie nandritra ny 6 taona tany amin’ny taona 1980, ka ny KGB (sampam-pitsikilovana Rosiana) mihitsy no nampiofana azy. Isan’ireo Malagasy manana mari-pahaizana ambony momba ny fitsikolovana sy antotam-baovao na “renseignement” sy mpamolavola paikady noho ny fiofanana azony, nianatra siansa politika ihany koa,.. Nahitsy fiteny sy firesaka izy teo amin’ny tontolon’ny politika. « Ny fiarovana ny tombotsoa sy ny zo n'ny olompirenena ho velona no ambony indrindra. Tsy ny seza na toeram-pahefana no maha maika fa ny fahefam-bahoaka marina. Tsy ny miolakolana na mifampialonalona eo amin'ny samy antoko no tandrovina fa izay hiraisana hanafaka ny olompirenena amin'ny geja sy fahoriana mahazo azy. Tsy ny hifaninana sy ny hanao sakay sy maso no maha vaha ny olampirenena ankehitriny fa ny fifanatonana sy fifandeferana ary ny firaisankiana”, hoy ny novambra 2022 nandritra ny famondronan-kerin’ny Vondrona Panorama izay isan’ny mpikambana ao anatin’io ny DHD Madagascar.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT