Tontolo politika

Nodimandry i Riribe


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Nodimandry ny harivan’ny sabotsy 20 janoary lasa teoi RAKOTOMALALA HENRI na Riribe

no nahafahantaran’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny politika.
Izy no filohan’ny FEDEP na « Fédération des Ex-Détenus et Victimes Politiques de Madagascar). Tsy salama efa andro maromaro ity mpanao politika mpanohitra ity, ary notsaboina tamin'ny klinika tsy miankina teny Ankadifotsy avy eo nifindra teny Anosibe saingy tsy tana ny ainy. Tsy marina noho izany ny filazana fa maty nosamborina sy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, araka ny resaka niely tamin’ny tambajotran-tserasera izy, fa noho ny tosi-dra niakatra ka nisy tapaka lalandra tamin’ny lohany, hoy ny loharanom-baovao. Efa kandida ho depiote tao amin’ny Distrikan’i Toamasina I ny tenany tamin’ny taona 2019. Tao anatin’ny fanoherana no tena nahalalana azy, nisy fotoana efa nisintaka kely tamin’ny mpanohitra, saingy niverina, ka tsy nitsitsy fitenenana tamin’ireo heveriny fa tsy fanjariana nataon’izao fitondrana izao. Anisan'ny nanamarika azy, ny fandraisana anjara tamina tolona maromaro. Teny ahatsiarovana azy tamin'izany ilay hoe "tsisy miala aketo niany." nandritra ireny hetsika fotsy notarihin’ny Firaisankinan’ny kandida ireny. Ny nahitana azy niseho farany dia izy mbola tonga nanatrika ny fanokafana ny taom-pikatrohan'ny RMDM ho an'ny taona 2024 tamin’ny 10 janoary lasa teo. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT