Tontolo politika

Nodimandry i Mohamed Rachidy


  • Talata 13 Aogositra 2024

Banga iray indray ny tontolon’ny politika eto Madagasikara! Nodimandry omaly 12 aogositra 2024

tetsy amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha Atoa Mohamed Haloa Rachidy. Tsy fahalamana momba ny fo no voalaza fa antony nitarika ny fahafatesany. Ny tenany izay vao namoy ny vady andefimandriny vao iray volana latsaka, ary izao nindaosin’ny fahafatesana izao ihany koa. Maro no nahalalana azy na teo amin’ny politika na ny andraikitra samihafa, ka anisan’izany ny naha mpikambana tao anatin’ny Antoko Leader Fanilo, mpikambana mpiara-nanorina ny Antoko HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) ary efa Sekretera Jeneraly nasional’io antoko io izy, ary isan’ireo mpiara-mitantana ny Vondrona Panorama taty aoriana. Ny tenany no Tale mpiara-nandrindra ny fampielezan-kevitry ny Kandida Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana 2013, ary anisan’ireo mpanolontsaina manokan’ity Filoha teo aloha ity fony ity farany teo amin’ny fitondrana. Efa mpampianatra mpikaroka mpanampy tany amin’ny Oniversite Politeknikan’i Azerbaïdjan, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama, mpikamban’ny komity stratejika momba ny angovo,… ihany koa ny tenany fahavelony. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT