Miandry ny fampiharana ny didim-panjakana ho an`ny fanoherana isika mba hisian`ny fifandanjan-kery eo amin`ny tontolo politika ka tsy tokony hisy intsony ny sakana amin`ny demokrasia eto Madagasikara.
Ny fampiharana ny lalàna na ny lalàmpanorenana dia tokony hisy na ny lalàna fampiharana na didim-panjakana. Hatreto, tsy nisy tao anatin’ny dimy taona ny fijerena ny fanekena ny antoko mitondra ny fanoherana saingy izao misy ny antoko mpanohitra ara-dalàna nahafeno ny fepetra. Tsy azo adinoina fa isika ao anatin`ny ara-dalàna ahafahana mametraka ny ara-dalàna. Misy ny lalàna 2011-013, izay mametraka ny fanoherana. Voalaza ao anatin`ny and. faha-2 fa mahafeno fepetra ho mpanohitra ny antoko iray na vondron`antoko iray raha manao fanambarana ampahibemaso sy mametraka antontan-taratasy amin`ny minisiteran`ny atitany ka nankatoavin`ity farany. Ny adihevitra ankehitriny dia izay ho lehiben`ny mpanohitra. Ahoana no ahafahana mametraka ny lehibeny ary iza no hifidy azy ? Ny and. 6 amin`io lalàna io dia milaza fa ny antoko mpanohitra mahafeno fepetra voalaza ao amin`ny and.2 dia lasa mpanohitra ara-dalàna. Raha misy tsy hifanarahana eo amin`ireo antoko politika tena mahafeno fepetra dia ireo no manao fifidianana mametraka ny lehiben`ny mpanohitra. Ny antoko Tiako I Madagasikara irery ihany anefa no nankatoavin`ny fanjakana Malagasy ho mpanohitra fa ny hafa dia tsy ara-dalàna toy ny antoko Manda ho amin`ny Firaisam-pirenena, izay tarihan`i Lalatiana Ravololomanana, dia tsy ara-dalàna eo anivon`ny fanjakana araka ny lisitra navoakan`ny minisiteran`ny atitany. Noho izany, ny antoko Tiako I Madagasikara dia malalaka amin`ny fametrahana izay ho lehiben`ny mpanohitra. Iza no antsoina raha tsy mahafeno fepetra ireo antoko sasany ? Tsy maintsy miandry ny fankatoavan`ny HCC sy ny fiadidian`ny Repoblika io filoha io ary mametraka azy eo amin`ny Antenimieram-pirenena. Dingana sisa io fa tsy misy antony hafa ho sakana amin`ny fanatanterahana azy. Araka izany, misy fifandanjan-kery amin`ny fisian`ny antoko TIM ho mpanohitra manomboka izao. Misy ny mpitondra, misy ny mpanohitra, misy arofanina.
|
Tsara ny manamarika fa efa tamin`ny taona 2011 no nandaniana io lalàna 2011-013 io. Ny 18 aogositra no nanolotra azy io ny CT sy CST tamin`izany. Ny 07 septambra no neken`ny HCC ka ny 09 septambra no nankatoavin`ny filohan`ny tetezamita Andry Rajoelina. Ny 11 septambra 2011 kosa no nivoaka tamin`ny gazetim-panjakana. Marihina fa tsy anjaran`ny fahefana mpanao lalàna no mametraka ny lehiben`ny mpanohitra fa anjaran`ireo antoko mpanohitra ara-dalàna na koa vondron`antoko mijoro ara-dalàna. |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.