Tonia mpampano lalàna

“Tsy nanao fampiantsoana ny Filoham-pirenena izany izahay”


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Namoaka fanambarana omaly ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona,

nilaza fa tsy nanao fampiantsoana ny Filohan’ny Repoblika, ka diso tanteraka ny filazana fa nisy ny taratasy fanaovana “assignation” nalefa tamin’ny Fiadidian’ny Repoblika, na ny Filoham-pirenena mivantana, mba hiseho fitsarana momba ny fitoriana azy amin’ny raharaha zom-pirenena. “Araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery, andininy faha-72 ao amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy, laharana faha-60.064 tamin’ny 22 Jolay 1960, dia izahay tonian’ny mpampanoa lalàna irery ihany no omen’ny lalàna fahefana hanetsika ny fitsarana hanao fizahana na “constat” ny fananan’olona iray na tsia ny zom-pirenena Malagasy. Izahay Mpampanoa lalàna dia tsy nanao fampiantsoana na “assignation” ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, ka noho izany dia diso tanteraka ny filazana fa nisy taratasy nanaovana “assignation” nosoniavinay ka nalefa teny amin’ny Fiadidiana ny Repoblika na tamin’ny Filohan’ny Repoblika tenany”, hoy Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona. Araka ny voalazan’ny andininy faha-76 ao amin’ny fehezan-dalàna ihany, hoy izy, dia tsy maintsy misy dika mitovy momba ny “assignation” na ny fitoriana apetraka eny anivon’ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana. Izahay Tonian’ny Mpampanoa lalàna dia manambara ihany koa fa tsy nisy izany. Fehiny, tsy misy “assignation” velively nataonay Tonian’ny mpampanoa lalàna, ny resaka hafa rehetra mifanohitra amin’izany dia fanelezana vaovao tsy marina izay enjehin’ny didy aman -dalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy io Tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fitsarana io. Rtoa Fanirisoa Ernaivo izay mpitarika ny fikambanana nitory ny Filoha moa no namoaka tamin’ny seraserany, fa efa tafapetraka io “assignation” mampiantso ny Filoha hiseho fitsarana amin’ny 06 septambra io, mba hilazana aminy ny fahaverezana zom-pirenena, ary namoaka taratasy nisy fitombokase milaza an’izany. Nisy hosoka sy fampiasana hosoka ve izany tao anatin’ny raharaha? Inona no ho tohiny? Hanao ahoana ny tohin’ny fitoriana?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT