Tondrozotran’ny manidintsidina

momba ny angovo Miandrandra mana avy an-danitra 7,2 tapitrisa dolara indray…


  • Alarobia 29 Janoary 2025

Any Dar-es-Salam Tanzanie nanombola ny alatsinainy teo ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina,

izay miatrika ny « Africa Energy Summit » na fihaonambe mikasika ny angovo aty Afrika. Ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara amin'ny Fihaonana an-tampon'ireo Filoham-pirenena momba ny angovo "Mission 300" dia manamarika ny fahavononan'ny Fitondram-panjakana malagasy hiroso amin'ny fanovana eo amin’ny famokarana angovo sy fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto amin'ny firenena, hoy ny seraseram-panjakana. Nanasonia ny Fanambaran’i Dar-es-Salam momba ny angovo. Nambara fa Madagasikara dia anisan'ireo firenena manana "Pacte énergie nationale" izay tondrozotra mamaritra ireo tanjona ho an'ny angovo sy ny tetiandro hanatanterahana azy ireo. Voalaza anefa, fa mila hatrany amin’ny 7,2 miliara dolara ny Fanjakana hahafahana mampisitraka herinaratra ny 80% amin’ny Malagasy sy fahazoana angovo madio hahafahana mahandro ho an’ny 50% amin’ny mponina anefa io tondrozotra io, izay haharitra 6 taona. Ny efa misy tsy voavaha ao anatin’ny taom-piasana filoham-pirenena 15 taona ny olana, kanefa ny serasera handrakotra an’i Madagasikara no atosaka. Manao fanamby hampiakatra ny tahan’ny fampiasana angovo azo havaozina sy madio, nolazaina fa tsy resabe, fa efa mipetraka ny tetiandro sy paikady. 1000MW indray ny resaka eto ! Na ny tetibolam-panjakana isan-taona aza ve tsy manodidina ny 1,2 miliara dolara io ka iza sy avy aiza no hahazoan’ny Fanjakana Rajoelina an’io ? Voalaza mantsy hatreto, fa 10% amin’ny vola nofaritana no hovatsian’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny famatsiam-bola madiodio, ny mpiara-miombon’antoka no hitondra ny 30% amin’ny endriny trosa na « subvention », ary sehatra tsy miankina no lazaina fa hitondra ny 60%. Ny vola ankehitriny amin'ny tetikasa famatsiam-bola lehibe avy amin'ireo mpiara-miasa amin'ny ambara fa fandrosoana anefa dia tsy hiantoka afa-tsy 1,15 miliara dolara hatreto. Ireo dia ahitana ny fanampian'ny Banky Iraisam-pirenena, ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD), ny Banky Eoropeanina momba ny Fampiasam-bola (BEI), ary ny Agence Française de Développement (AFD). Mbola misy fahabangana 6,1 miliara ariary raha oharina amin'ny filàna 7,2 miliara dolara. Famatsiam-bolan’ny FEC 103 tapitrisa Euros sy tohana 100 tapitrisa dolaran’ny Banky Iraisam-pirenena aza manahirana ka tena manana ny fahaiza-manao na « capacité » handresy lahatra hahazoana 6 na 7 miliara dolara ve ny Fitondrana Rajoelina ka sao ho : balarora toy ny 400MW anatin’ny 5 taona nolazaina tamin’ny 2018?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT