Naneho ny heviny mikasika iny zava-nitranga teny amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny sabotsy teo iny ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Nambarany tamin’izany fa tsy mahay maka lesona mihitsy ny mpitondra hatramin’izay. Tokony nasiana foana hoy izy ny fifampihainoana teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany hisorohana ny rà latsaka. Isika rahateo hoy hatrany izy mandala ny demokrasia ka tsy tokony hihafara amin’ny fifampihenjanan-kery tahaka ireny. Ny tahaka ireny mantsy hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina no efa namotika ny firenentsika nanomboka ny taona 1972 no mankaty. Miantso ny tokony hisian’ny fifampiresahana an-databatra boribory eo amin’ireo vondron-kery ireo araka izany ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy hahafahana miroso mankany amin’ny fifidianana izay hotanterahina amin’ity taona 2018 ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.