Nitohy omaly 12 oktobra ny ambohipihaonan’ny vahoaka
teny amin’ny 13 mey, fotoana nihaonana sy nitondrana am-bavaka ny Firenena. Andro faharoa nahafahana naneho hevitra an-kahalalahana teo an-kianja taorian’ny fahavakisany niaraka tamin’ny tafi-bahoaka ny sabotsy teo. Tazana teny avokoa ny herivelona samihafa eto amin’ny Firenena. Fotoana nanehoana ihany koa fa mbola tsy vita ny tolona, dia fialan’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny fanovana tanteraka ny Firenena. Ny mpanao fihetsiketsehana, indrindra fa ny Gen Z Madagascar sy ny mpanao politika, dia nangataka ny hanakatonana ny birao sy sekoly rehetra manomboka amin'ny alatsinainy anio alatsinainy, mba hanohizana ny tolona ho amin'ny fialan'ny filoha Andry Rajoelina sy ny fanatanterahana ny fanavaozana vaovao. Mikasa ny hitety ireo Minisitera tsirairay mba hanentanana ny mpiasa hiditra amin'ny tolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey izy ireo. Ho an'i Alban Rakotoarisoa na Baba, mpanolotsaina monisipaly avy amin'ny fanoherana, isan’ny niaingan’ilay hevitra « Tsy manaiky lembenena » nanentana ny vahoaka ho eny Ambohijatovo nanombola ny 25 septambra, dia manome 48 ora ho an'ny solombavambahoaka hanesorana ny filohan'ny Repoblika izy. Raha tsy tanteraka izany ao anatin'ny fe-potoana, dia hitaky ihany koa ny fandrodanana ny Antenimierampirenena ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsiahivina fa io rafitra mpanao lalàna io izay voafaritry ny lalàmpanorenana araka ny andininy faha-131 izay milaza milaza fa ny HCC dia afaka manongana ny Filoha raha misy fahamadihan-tanindrazana goavana voamarina. Tsy maintsy lanian’ny 2/3n’ny antenimierampirenena sy ny antenimierandoholona anefa ny fiampangana, ka alefa amin’ny HCC ny fiampangana lany, ary raha misy fanamelohana dia miongotra avy hatrany ny Filoha. Ny andininy faha-52 moa no mamaritra fa ny filohan’ny antenimierandoholona no mandray ny toeran’ny Filoha rehefa voamarina ny fahabangana. Izay ve no mety ho làlana ka nanonganan’ny Birao maharitry ny Antenimierandoholona ny Jeneraly Richard Ravalomanana omaly. Mihamafy rahateo ny tsindry hialan’i Andry Rajoelina izay tsy fantatra mazava intsony ny misy azy ankehitriny, raha toa ka misy ny vaovao samihafa niparitaka, fa efa nandao an’i Madagasikara ny alin’ny sabotsy oktobra teo ny mpandraharaha matanjaka iray sy ny fianankaviany, ny Praiminisitra Ntsay Christian,… Betsaka ny efa nitady làlana nitsoahana,… Azo lazaina ho vizana ny Fitondrana Rajoelina, tsy ireo olona napetrany intsony no eo amin’ny fibaikoana ny mpitandro filaminana,… Miharihary ary lesona ara-politika mila tsoahina fa tsy misy maharesy vahoaka izany fa tsy araka ny tenin’ingahy Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard hoe : « tsy haharesy basy ianareo ! » satria na io tafi-bahoaka io dia tsy maintsy miverina amin’ny vahoaka fa tsy hanaiky hobaikoana toy ny biby hamono ny mpiray tanindrazana, mahatsapa ny rariny sy ny hitsiny,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.