Politique

Tolom-bahoaka ho an’ny fiovana Mino ny fahatafitany ny ankamaroan’ireo olon-tsotra


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Miditra amin’ny andro fahenina anio alakamisy 26 aprily ilay tolom-bahoaka tanterahina etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely hanoherana ny kolikoly sy ny jadona natao amboletra teto amin’ny firenena.

Marobe ireo zava-nitranga tao anatin’izay dimy andro izay toy ny nisian’ireo aina nafoy, ireo naratra am-polony mbola manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Mbola mitohy hatrany ny hetsika mandrapahatonga any amin’ny tanjona tiana hokendrena dia ny hanavotana an’i Madagasikara anaty fahantrana  lalina sy anaty jadona izay tena tsy zakan’ny maro intsony. Mino ny fahatafitan’ny olona ny ankamaroan’ireo olon-tsotra amin’ny ankapobeny. Ampahany amin’ireny ireto nanaiky nitafa tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ireto.

 

Haja, renim-pianakaviana : Mety ilay tolona satria mitaky fahamarinana sy ny  tsy hisian’ny kolikoly ny vahoaka. Tsy ny  depiote ihany no mitolona fa  ny vahoaka efa  reraky ny fahasahiranana ihany koa.  Inoana fa raha mitohy io tolona io dia hisy fiovana eto  Madagasikara.

Rado, mbola mpitovo :  Ireo mpitandro ny filaminana no hitany ho olana kely. Tsy hita mazava ny heviny. Mino ihany aho fa kely.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT