Politique

Tolojanahary Maharavo na Doudou “Mbola tsy afaka ny fanjanahantany Frantsay”


  • Zoma 30 Desambra 2022

Ampitahaina amin’ny 40 taona niainan’ny zanak’Israely niala tany Egypta any 50 taonan’ny MFM, hoy ny mpikatroka MFM, Tolojanahary Maharavo na Doudou.

Izany hoe 50 taona mahery, hoy izy, nahazoana fahaleovantena. Fahantrana mbola farany lalina. Io ilay mariky ny fanjanahantany ataon’ny frantsay eto amintsika izay mbola tsy afaka hatramin’izao. Ampy izay 50 taona izay. Hita rahateo koa ny fahalemen’ny frantsay satria ilay Frantsay natahorantsika teo tsy mahita atao rehefa manoloana ny Rosianina. Mizara 2 lehibe izao izao tontolo izao dia ny tandrefana sy ny mpiaradia amin’ny rosianina sy ny sinoa. Hita izao fa resy ny tandrefana. Ampy izay 50 taona nanaovana tsinontsinona an’izao tontolo izao sy ny afrikanina izay. Tokony hahatsapa ny malagasy hoe aoka izay ny fampiadian’ny zanaka malagasy ataon’ireo merseneran’ny frantsay eto ireo! Gasy samy gasy no ampiadiana dia ny vazaha frantsay sy eoropeanina no mandeha manome lesona eto. Iarahantsika mahita izao ny kolikoly ao amin’ny parlemanta eoropeanina. Any amin’ireo no tena devoly nefa izy tonga eto amintsika manome moraly andeha hanara-maso ny fifidianana. Ny azy tsy hitany. Tsy ekena intsony ny fiatsarambelatsihin’ny eoropeanina. Fanandevozana antsika efa ho 100 taona mahery dia “morale” no entiny eto amintsika. Ampy izay! Tsy vita moramora nefa izany fa ady sy tolona, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT