Toliara : Rotaka noho ny fiovan’ny voka-pifidianana

« Tsy hiandry tribonaly izahay fa hisy ra mandriaka eto… »


  • Talata 24 Desambra 2024

Mafampana ny toe-draharaha ao Toliara amin’izao fotoana izao noho ny raharaha voka-pifidianana.

Nirohotra nitokona nanoloana ny Biraon'ny Lapan'ny Faritra Atsimo Andrefana ireo vahoaka mpomba ny kandida Nandrasana Augustin na Pecto izay nirotsaka tao amin’ny Kaominina Mitsinjo Betanimena Disitrikan'i Toliara II omaly alatsinainy 23 desambra. Nanambara izy ireo fa nitarika tao amin'ny SRMV na ny Sampana mpanisa vato tao Toliara II kanefa niova io rehefa navoakan'ny SPATREC (Structure Provinciale Ad'hoc pour le Traitement Résultats des Élections Communales) tao amin’ny Lapan'ny Faritra Atsimo Andrefana. Raikitra ny fandorana kodiarana teny amin’ny làlana miazo ny faritra ary tonga nanodidina an’ity lapa ity ny olona. Nahetsika ny mpitandro filaminana zavon-tany nifehy ny toe-draharaha. Mampiteny ny moana ny voka-pifidianana, 2098 ny vato azonay, ary 2033 ny andaniny dia ny kandida IRMAR Larry Robert, saingy lasa 2103 sy 2107 nampandresy ny kandidam-panjakana ny rehefa nivoaka ny voka-pifidianana nataon’ny CENI. Gaga izahay hoe : inona no antony ? Fampiadiana ny olona eto Mitsinjo Betanimena ve ? hoy ny kandida mahatsiaro lasibatra. Nilaza fa tsy manaiky, ary tsy hiandry ny valim-pifidianana avoakan’ny Tribunal Adminisitratif fa hisy ra mandriaka eto amin’ny Kaominina Mitsinjo Betanimena na hisy polisy na hisy zandary na hisy miaramila na hogadraina aza izahay, fa safidim-bahoaka io, hoy ny fanambarana. Tsy ekenay io, hoy ny fanamafisana. Notsiahivina ireo ambaran’izy ireo fa karazana hosoka sy halatra toy ny tao Besasavy nisy karapanondro hosoka, ananana porofo, nandefasana fitoriana mbola tsy misy valiny,… Andrasana ny tohiny, fa azo lazaina ho mafampana any an-toerana ankehitriny noho ny olana ara-pifidianana. Tsy any ihany fa betsaka ireo toerana isehoana fifanolanana goavana, kanefa toa tsy maharototra ny CENI, izay tratry ny fiampangana ho nanatsimbadika ny vato, raha tsy hilaza afatsy ny tetsy Talatan’i Volonondry, Kiangara,… Ny eto Antananarivo no ohatran’ny milamindamin-dratsy fa ny faritra hafa toa io Toliara io sy ny any Toamasina somary mangotraka kokoa ny fanoherana ireo heverina ho fanodinkodinana safidim-bahoaka ; Lasa loharanon’ny fisaraham-bazana ny fifidianana noho tsy fahatokisana samihafa. Mihamafy ny fifandrafiana politika ary efa tonga any amin’ny vahoaka ka hiniana hikipiana sy sanatria ho tonga any amin’ny fifamonoana sy ra mandriaka tokoa ve vao hikoropaka ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT