Na dia tara ary betsaka tamin’ireo Ben’ny tanŕna voafidim-bahoaka farany teo no nimenomenona tsy faly,
dia tanteraka ny zoma hariva teo ihany, tao amin’ny “Jardin de la mer” Amoron-driaka Toliara ny fampisalorana samboady miaraka ho an’ireo Ben’ny tanàna 25 ao anatin’ny Distrikan’i Toliara II. Tonga nisolotena ny minisitry ny Atitany tany Toliara, ny minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, Maharante Jean de Dieu notronina solombavambahoaka vitsivitsy avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
Raha ny nambaran’ny ampahany tamin’ireo Ben’ny tanàna nitafa tamin’ny mpanao gazety dia tsy mahafaly azy ireo ny fiovaovan’ny lalàna misy eto amintsika mampanano sarotra ny asa fampandrosoana ifotony, ka mampihena ny fitokisan’ny vahoaka azy ireo. Tezitra ihany koa ny solombavambahoakan’i Toliara II sady filoha lefitry ny Anterimieram-pirenena misahana ny faritanin’i Toliara, Erafa Helson Brisson nandritra ity lanonana ity noho ny tsy fahafehezan’ny mpikarakara ny lafiny arofenitra.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.