TOLIARA I

Nisy tara ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Tara ny fisokafan’ny biraom-pifidianana tao amin’ny distrikan’i Toliara I Omaly Alarobia 29 May

nanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka manerana ny Nosy. Raha araka ny vaovao azo mantsy dia tamin’ny 07 ora sy sasany maraiba vao tonga ireo fitaovana handatsaham-bato izay vao nikarakara ireo tompon’andraikitra ka 30 minitra taty aoriana vao afaka niditra ireo mpifidy raha efa tamin’ny 06 ora maraina ny an’ny sasany dia efa nanomboka. Nisy tamin’ireo mpifidy no velon-taraina sy nimenomenona vokatr’izany. Ankoatra ity adidy masina notanterahina ho an’ny firenena ity mantsy dia azo hatao ambanin-javatra ihany koa ireo kazaran’adidy tsy maintsy hiantsorohana ao an-tokantrano isan’andro ankoatra ny asa fitadiavam-bola tsy maintsy hefaina ho an’ny sasany. Tsiahivina moa fa misy birao fandatsaham-bato miisa 139 ao amin’ny distrikan’i Toliara I ka kadinda 36 isa no nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Pati
Legende : Mbola nihidibe tahaka izao ny biraom-pifidianana na dia efa tamin’ny 07 ora sy sasany maraina aza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT