Tolagnaro

> Manohitra marindrano ny vokam-pifidianana depiote ireo kandida 22 amin’ny 24


  • Zoma 27 Desambra 2013

Manohitra marin-drano ny voakam-pifidianana ho solombavahoaka natao ny 20desambra teo ireo kandida 22 mianadahy amin’ireo 24 nirotsaka hofidina tao amin’n Distrikan’i Tolagnaro.

Dimy ny antony araka ny nambaran’ingahy Rakotoarison Yves Aimé (Memé), ka anisan’izany ny fizaran’ny kandida iray sy ireo mpiara-dia aminy vola tamin’ireo mambran’ny birao fandatsaham-bato, sefo Fokontany anjatony ary Ben’ny tanàna ampolony maro ny alakamisy 19 desambra sy nandritra ny androm-pifidianana, ny fitokanana asa vita amin’ny maha mpandraharaha azy (ilay kandida) tamin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra, ny fisian’ny PV narafitra tany ivelan’ny birao fandatsaham-bato, ny namoronana vokam-pifidianana tamin’ny toerana tsy misy mpifidy, ny fidangan’ny isan’ny olona tonga nanefa ny adidiny izay tsy mifanaraka velively amin’ny ao anatin’ny lisi-pifidianana. Marihina mitarika amin’ny ampaham-bato 23% ny kandida voalohany raha 9% kosa ny nanaraka azy. Lavin’ireo kandida 22 io vokatra io, ary tapa-kevitra ny hitondra ny raharaha eo anivon’ny CES izy ireo, satria misy porofo ary misy olona afaka hijoro ho vavolombelona raha ilaina, hoy ny mpitondrateny. Takian’izy ireo araka izany ny hanafoanana manontolo ny vokam-pifidianana tany Tolagnaro ary averina ny fifidianana. Takian’ireo vondrona kandida ireo koa ny hanalana an-daharana tsy ho anisan’ny kandida intsony an’ilay kandida tsy manara-dalàna. Nohamafisin’ ireto kandida 22 ireto fa hiditra amin’ny dingana ambonimbony kokoa izy ireo raha tsy misy ny valinteny mahafa-po avy amin’ny CES tompon’ny teny farany.

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT