Tojo Ravalomanana

« Rehefa sakanana ny dadanay dia mijoro ny zanak’i Dada »


  • Alakamisy 10 Oktobra 2024

Azo lazaina ho fisehoana politika voalohany ho an’i Tojo Ravalomanana, kandida atolotry ny TIM eto Antananarivo,

taorian’ny fisakanana an’i Marc Ravalomanana rainy tsy ho kandida ny omaly. Niatrika ny antsapaka nisarihana ny filaharana ity kandida ity, izay notarihin’i Marc Ravalomanana, ka ity farany no tena nanao ny antsapaka. Taorian’io, nisy ny tafa fohy nataon’izy ireo, ka hetrandretra i Tojo Ravalomanana naneho hoe : « Fahotana ho an’ny marina ny mangina sy ny tsy mijoro manoloana ny ratsy fanahy. Averiko, fahotana ho an’ny marina ny mangina sy ny tsy mijoro manoloana ny ratsy fanahy. Eto Antananarivo no misy antsika. Koa rehefa sakanana ny iray aminay dia tonga arivo mijoro izahay. Ary rehefa sakanana i Dadanay dia mijoro ny zanak’i dada. Koa rehefa sakanana i Marc Ravalomanana dia mijoro i Tojo Ravalomanana. Ny arivo lahy tsy maty indray andro. Koa manao antso avo an'Antananarivo izahay. Ry Arivo Arivo lahy. Ry Arivo Arivo vavy. Mijoroa ary mitenena ; Fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra. », hoy ity kandida ity. Kandida tsy dia nampoizin’ny maro moa i Tojo Ravalomanana ka isan’ny andrasana ny hoe : tahaka ny ahoana ny vina sy hevitra ary fandaharan’asa harosony ho an’Antananarivo ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT