Toherin’ny FCC

ny fanafahana an-dRavatomanga


  • Talata 18 Aogositra 2026

Goavana ireo dosie 5, atahorana hitsoaka sy hamafa porofo…

Nandray ny fangatahana fandinihanany fahafahana vonjimaika napetrak’i Maminiaina “Mamy” Ravatomanga ny Fitsarana misahana ny Fitazonana sy Fahafahana vonjimaika omaly alatsinainy 17 oktobra 2026. Nandritra ny fihainoana ireo voakasika, naneho ny fanoherany kosa ny Vaomiera misahana ny Heloka Bevava ara-bola na ny FCC, notarihin’i Paramhans Alleear, izay mitana andraikitra vonjimaika amin’izao fotoana izao. Navoitran’ny FCC ny loza mety hitranga raha avoaka vonjimaika ity mpandraharaha Malagasy ity: mety handositra, mety hanelingelina ny vavolombelona, ary mety hanova na hanimba porofo. Nohazavain’i Alleear fa misy lafiny dimy lehibe ao anatin’ny fanadihadiana: fivarotana fiaramanidina Boeing 777 ho an’i Iran, afera fanondranana litchi, fanafarana varim-bazaha, fananganana lalambe ao Antananarivo ao anatin’ny “Tetikasa Samcrete”, ary ny “Tetikasa Madarail”. Araka ny fanambaran’ny FCC, matanjaka ny porofo voaangona mandetika an’i Ravatomanga. Ny fitsirihana lalina ny findain’ity mpandraharaha ity sy an’i Jean Christian David Thomas, izay voasambotra ihany koa, dia nahitana fifanakalozana hafatra sy antso manaporofo fihaonana. Voalaza ihany koa fa nanome toromarika ny vadiny hamafa hafatra i Ravatomanga, ary mbola nifandray tamin’olona any ivelany izy raha mbola tao amin’ny Fonjan’i Melrose. Anio talata 18 Aogositra 2026 no hotohizana ny fametrahana fanontaniana sy ny fifanatrehana an’i Paramhans Alleear ataon’i Khushal Lobine, mpisolovavan’i Ravatomanga, eo anatrehan’ny Mpitsara Mohammad Ilfaaz Farook Nathire. Tsiahivina fa nosamborin’ny FCC tamin’ny 24 Oktobra 2025 i Ravatomanga, ary miatrika fiampangana vonjimaika roa momba ny fanadiovana vola maloto sy iray momba ny firaisana tsikombakomba, mifandraika amin’ireo fihetsika voalaza fa natao tamin’ny 14 sy 24 Oktobra 2025. Raha raisina amin’io, mavesatra ny fiampangana, maneho fanoherana ny fanafahana vonjimaika arahina anto-bola ho an’i Mamy Ravatomanga ny FCC noho ny fanahiana maro, toy ny fandosirana, famafana porofo,… Raha nambaran’ny fampahafalalam-baovao samihafa, indrindra fa taty amin’ny ranomasina Indianina ny mety ho fahafahany arahina anto-bola, izay mety ho ady fiady ara-tserasera ihany, dia sarotra amin’ny lafiny iray ny hahafahany mivoaka ny fonja arahina anto-bola. Mety ho tafiditry ny politika ihany koa anefa ny raharaha eo anatrehan’ny karazana fifampiresahana marolafy mety mandeha. Firenena 3 raha kely no misy raharaha mahakasika an’i Mamy Ravatomanga dia i Madagasikara izay heverina fa niaingan’ny ankamaroan’ireo harena sy vola navoaka any ivelany, manao fanenjehana ara-pitsarana noho ny heloka ara-toekarena samihafa. Manaraka izany ny atsy Maurice izay nisamborana azy ny oktobra 2026, toerana izay anaovany fandraharahana. Eo ihany koa i Lafrantsa na efa somary nilamindamina aza teo aloha ny afera fividianana trano sy fananana tany Paris sy Levallois. Heverina fa mbola manaloka sy manara-maso akaiky ihany koa ny Amerikanina noho ny raharaha boeing 777,... Andrasana izany izay ho tohiny aorian'ny anio!
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT