Hatao tsy ho ela eto amin’ny nosy ny fifidianana Ben’ny tanàna manerana ny faritra.
Mba hialana sy hisorohana amin’ny feo miely hoe, leo mpanao politika ny vahoaka Malagasy, noho ny fampanantenana poakaty natao taminy, ny fampandriana andrisa tsy tanteraka, koa rehefa tonga ny fampielezan-kevitra dia tonga hanambitamby vahoaka sy hizara zavatra ireo kandidà amin’izany, dia nahitsy fitenenana ny delegen’ny Boriborintany fahefatra, Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel, fa milà olona manana vinam-piarahamonina, mitsinjo ny vahoaka sy ny tanàna entiny. Azo hametrahana fitokisana. Tsy voafehy ny resaka politika na antoko politika. Matahotra an’Andriamanitra. Manana ny maha izy azy, mifandray amin’ny olona rehetra, mahay mitantana. Olom-baovao tsy nitakosina tamin’ny raharaha politika. Mahafantatra ny filàn’ny vahoaka ary mahavaly ny hetahetan’izy ireo, mahafehy ny tanàna entina ary mahafehy ny kaomina manodidina sy ny fandraharahana no ilaina amin’izany. Ho an’ny dokotera Christian kosa indray, dia aoka tena hipetraka ny fitiavan-tanindrazana. Rehefa mpanohitra dia milaza ny zavatra tsy mety ataon’ny mpitantana. Tsy ady seza na mpanao politika mitady toerana, fa tokony hosivanina ny tena mpanao politika matanjaka roa na telo dia ampy, fa tsy be tsy andraofana izay mpitady seza fotsiny, hoy izy. Olona tia tanindrazana, olona manana traikefa, mahay mifanaraka amin’ny rehetra. Olona manana vina lavitra hitondrana ny tanàna lavitra no tadiavina sy ilaina amin’izao. Izay mahavita no ilaina ary mahay mifampiresaka amin’ny mpamatsy vola. Izany no toetry ny olona te hilatsaka ho Ben’ny tanàna, izay takian’ny olom-pirenena.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.