Ny lalàna misy momba ny satan’ny mpanohitra sy Lehiben’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera dia tsy mbola misy didy fampiharana, ka tompon’andraikitra tanteraka ny governemanta amin’ny famoahana an’io.
Ny tsy famoahana izany, dia azo atao hoe tsy fanarahana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna misy, hoy ny Solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Ny minisitry ny atitany Atoa Razafimahefa Tianarivelo anefa nilaza teny Tsimbazaza omaly, fa raha tsy mifanaraka ny mpanohitra dia mifidy izy ireo, kanefa tsy tokony hohadinoina hoe nisy ny fomba fijery na ny “Avis n°004-2014 sy ny “Avis n°001-2017”, izay navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nilaza mazava fa raha ny didy amam-pitsipika sy ny lalàna misy amin’izao fotoana izao (tamin’izany), ary mbola mitombina mandrak’androany, dia tsy ahafahana aloha manendry izany filohan’ny mpanohitra izany ao anatin’ny rafi-panjakana. Malaina sy mitady hirika hisakanana ny mpanohitra fanomezana toerana ho an’ny mpanohitra eny amin’ny antenimiera ny fitondrana. Mba hialana amin’ny fahabangana dia tokony hampiharina avy hatrany ny lalàna satria efa nankatoavina (promulgué), ka ny pitsopitsony no andrasan’io didy fampiharana io, fa aminay dia azo ampiharina ny lalàna, hoy kosa ny valin-kafatry ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nohazavainy fa tsy voatery ho parlemantera ny Lehiben’ny mpanohitra. Raha toa ka tsy mifanaraka daholo ireo antoko nanao fanambarana ampahibemaso sy ambara ara-dalàna fa mpanohitra, dia ny lehiben’ny antoko na ny Fikambanana antoko politika manana vato betsaka indrindra tamin’ny fifidianana depiote teo no manendry na tompon’ny toerana, hoy izy. Nambarany fa fomba fijery na “Avis” ny an’ny HCC, ary olona mitondra amin’izao no nanohitra an’Atoa Hery Rajaonarimampianina, ka rehefa tsy nety ny nataon’izy ireo tamin’izany, dia anjaran’ny ankehitriny no mampihatra ny didy aman-dalàna mba hanajana ny lalàna velona sy ny demokrasia. Tsy ny isa no mitondra ny fanoherana, fa na roa na telo na efatra, dia afaka mitondra izay hevitry ny mpanohitra izay, raha ny nambarany. 16 izy ireo izay manana hevitra hoentina sy vahaolana. Tsy ho fanoherana bontolo handeha hidina an-dalambe sanatria ho toy ny tamin’ny 2009 hoe: manohitra dia manongam-panjakana sy maka fitondrana ankeriny amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana fa manaja lalàna, arofanina sy manitsy rehefa mivilana ny dian’ny mpitondra, hoy hatrany ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.