Toeran’ny filoham-pirenena malagasy

Efa hatramin’ny 2019 no tokony nambara ho banga


  • Zoma 17 Oktobra 2025

Efa hatramin’ny taona 2019, nandraisan’ny

filoham-pirenena farany teo, Andry Nirina Rajoelina, ny toerana voalohany maha filohan’ny repoblika azy no tokony nambara ho banga ny toeran’ny filoham-pirenena malagasy, raha iverenana ny fanazavàn’ireo mpahay lalàna samihafa taorian’ny fipoiran’ny ampamoaka nataon’ny mpahay lalàna, Fanirisoa Ernaivo, mikasika ny fiofoana ho frantsay an’izany Andry Rajoelina izany. Raha ny fampahatsiahivana moa dia ny taona 2014 no naka tamin’ny nahim-pony ny zom-pirenena maha frantsay azy i Andry Rajoelina. Raha ny lalàna malagasy nefa no jerena dia midika fanariana ny zom-pirenena maha malagasy ny finiavana mangataka sy maka zom-pirenena hafa ho an’ny olona efa hary saina sy ampy taona. Nandritry ny 7 taona mahery izany ny filoham-pirenena nahazo fahefàna hatramin’ny 2019 sy ny forongony no nitantana ity firenena ity tanaty fanitsakitsahana tanteraka izay lalàmpanorenana izay novolavolain’ny fitondràna Rajoelina hatramin’ny taona 2010 izay ihany. Ny lalàmpanorenan’ny repoblika fahaefatra izay niainan’ny firenena malagasy teo, raha tsiahivina, dia mbola nofidiana tamin’ny alalan’ny karnem-pokontany ihany koa, 15 taona lasa izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT