Lasa bizina ny toerana Loholona. Tafakatra 400 tapitrisa izao ny tontona, raha te ho lohalisitra
. Mety mbola hiakatra aza io, satria ifandrombahana ny toerana. Tsy ny rehetra anefa no afaka hibizina toerana Loholona fa tsy maintsy manana fahefana ary ao anaty fitondrana.
Ny manaitra ihany koa dia ireo mpanao trafika sy kolikoly ary malaza amin’ny fanangonan-karena tsy ara-dalàna no mihazakazaka manao ankisisika ho Loholona. Natao hanakonan-keloka ve sa hanadiovan-tena ny fidirana ho Loholona sa hahafahana manohy tsy amin’ahiahy ny asa ratsy sa inona no mampisisika azy ireny hiditra ao amin’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity ?
Miisa 63 ireo loholona ho mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona vaovao hijoro eo. Hofidiana mivantana ny 42 amin’ireo, izany hoe 7 isaky ny Faritany. Mpifidy vaventy no hifidy azy ireo, mandritra ny latsa-bato hatao isaky ny renivohitry ny Distrika amin’ny 29 desambra 2015. Miisa 12.3892 ireo mpandatsa-bato ireo, ka mpanolotsaina kaominaly ny 10.997 amin’ireo ary Ben’ny tanàna ny 1695. Ny filohan’ny Repoblika kosa no misafidy sy manendry ireo 21 famenony.
Nisokatra tamin’ny 9 novambra ary hitohy hatramin’ny 16 novambra 2015 ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Loholona. Lisitra no fidiana. 450.000 Ariary isaky ny lisitra ny anto-bola. Raha ny tetiandro dia ho fantatra amin’ny 10 janoary 2016 farafahatarany ny anaran’ireo Loholona vaovao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.