Toe-draharaham-pirenena

Ratsy toerana tanteraka ny governemanta


  • Alarobia 18 Oktobra 2023

Mitombo hatrany ny tsy fahamarinan-toeran’ny governemanta ankehitriny.

Tsy mila Ntsay, tsy mila vazaha, miala Ntsay, Ntsay degage, hajao ny lal)mpanorenena… Ireo no isan’ny nitsenan’ny depiote miara-dia amin’ny Firaisankinan’ny kandida, raha vantany vao niditra ny Lapan’I Tsimbazaza ny Praiminisitra sady Lehiben’ny governemanta mpiara-mitantana ny firenena omaly, nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena omaly. Mihamafy noho izany ny tsindry ho an’ity governemanta ity taorian’ilay fahazoana ny fahefana hitondra ny firenena, kanefa efa tratry ny fitsipaham-pitokisana tamin’ny desambra 2022. Izy ireo izay tratry ny fiampangana ho mitanila amin’ny kandida Rajoelina amin’ny fifidianana, ka takian’ireo Vondron’ny kandida ny fanovana azy, ary mangotraka ny fiampangana ho nanongam-panjakana na nanao “coup d’Etat Institutionnel” izay nohamafisin’Atoa Herimanana Razafimahefa, raha raisina amin’ny taratasy napetrany tamin’ny HCC, saingy nihazakazahana ny fanonganana azy tsy ho Filohan’ny Antenimierandoholona. Nanatritra ny fotoana teny Tsimbazaza moa omaly ireo Masoivoho vahiny maro, izay mijery akaiky ny toe-draharaham-pirenena, ary nisy ny fivoriana niarahan’izy ireo tamin’ny mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny governemanta teny Mahazoarivo taorian’izay. Masohivoho fito avy amin’ny firenena tandrefana nahitàna ny avy amin'ny Union européenne, Allemagne, Corée du sud, USA, France, Japon, Royaume-Uni, Suisse ary ny solotena avy amin'ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) no nanatrika izany. Midika fa mangotraka ny toe-draharaha, ary ireny niaraha-nahita ireny ny fanambaran’ny sehatra iraisam-pirenena eo anatrehan’ny herisetra, fitanilana, fiantsoana fifidianana madio,… Tsara ihany koa no manamarika fa voahorakoraka ihany koa ny Jeneraly Ravalomanana Richard izay vao avy napetraka ho Filohan’ny Antenimierandoholona tratry ny hoe: “oo! oo! oo! Nirarakopana ny fiarahana niventy sady fivelesana latabatra hoe: “tsy voavidy vola”. Miakatra hatrany ny maripana politika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT