Toe-draharaham-pirenena

Nifandinika lalina ireo kandida sy ny PAN


  • Alakamisy 02 Novambra 2023

Nisy ny fihaonana teo amin’ireo Firaisankinan’ny kandida ny Filohan’ny Antenimimierampirenena na ny PAN Rtoa Christine Razanamahasoa

ny talata 31 oktobra 2023 teo nentina nifampidinihana sy nifakakalozana hevitra momba ny raharaham-pirenena. Tsy nisy rahateo ny diabe, fa natokan’ny kandida nifampiresahana tamin’ny herivelona samihafa tao anatin’ny roa andro. Ny fihaonana tamin’ireo Firaisankinan’ny kandida izay nanao fangatahana ary amin’ny maha Lapan’ny demokrasia ny antenimierampirenena, dia misokatra ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ny varavarana, hoy io Filohana andrim-panjakana io. Nambarany fa efa misy ny fanelanelanana parlemantera karakarain’ny Antenimierampirenena eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Eo anatrehan’ny mety ho fanozongozonana sy fanonganana eo anatrehan’ny fandraisana sy firesahana tamin’ny Firaisankinan’ny kandida, dia nahitsy Rtoa Christine Razanamahasoa nilaza fa, amin’ny maha mpandala ny demokrasia sy tany tan-dalàna ny tenany, dia nahitsy ny tenany fa tsy manana fanahiana satria ny marina sy ny ara-dalàna ary ny mangarahara no manjaka mba ho fanajana ny demokrasia. Tsy nisy moa ny tatitra tamin’ny antsipirihany momba io fihaonana io. Tsara kosa no mampahatsiahy, fa tapa-bolana teo ho eo izay no efa nitondra fanairana ny ity Filohana andrim-panjakana teo anatrehan’ny herisetra sy fanitsakitsahana ny zo maha olona fa tsy azo ekena ny herisetra, tokony hajaina ny tany tan-dalàna,… Isan’ny nambarany tamin’izany fa tena mafampana ny toe-draharaha ary mikitaontaona ny làlana hizorana any amin’ny fifidianana, izany hoe: tsy milamina sy tsy marin-toerana, ary tsy azo antoka ho fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra raha raisina amin’izany sy io hita taratra amin’ny adihevitra politika io. Taorian’io dia nijoro ireo Filoha lefitry ny antenimierampirenena miisa telo nanao fanambarana nanohitra ny voalazany sy nanenjika azy ary ny fampahalalam-baovaon’ny fitondrana dia nilaza azy ho lasa adala noho ny fahefana. Tsara anefa no manamarika fa ny antenimierampirenena sy ny filohany no andrim-panjakana sy filohana andrim-panjakana tena ara-dalàna sy marin-toerana na “légitime” amin’izao fotoana izao satria ny governemanta efa niaraha-nahalala ny momba azy, ny antenimierandoholona mahabe resaka hatramin’ny nanonganana ny Filohany teo aloha, ny HCC malaza ho mitanila sy tsy azo antoka ary io hisiana tsy fitovian-kevitra anatiny io,… Asa hanao ahoana ny ho tohin’ny raharaha eo anatrehan’ity fanelanelanana parlemantera ity satria tsaroana tsara ihany koa ny fananganam-bovona nataon’ny Praiminisitra, fa ny CENI ihany no rafitra tokony ho afaka manelanelana?
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT