Toe-draharaham-pirenena

“Mahagaga ireo olona milaza fa tsy hihinanan-kanina ny politika”


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

Tsy hiresaka fitiavan-Tanindrazana aho eto fa hiresaka ny maha olombelona ahy fotsiny, hoy ny fanehoan-kevitry ny

mpanara-baovao iray manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny omaly. Tena miditra anaty kapoakantsika ny politika, hoy izy. Ny fanatsaràna ny kalitaon'ny rafi-panabeazana sy fampianarana izay kitro ifaharan'ny hoavin'ny taranaka dia tolotra avy amin'ny fanjakana ary adidiny 100%. Ny kalitaon'ny fitsaboana anivon'ny hopitalim-bahoaka dia miankina tanteraka amin'ny paikadim-panjakana. Rehefa mikarakara marary ianao dia mahatsapa loatra an'izany. Ny famatsiana herinaratra sy angovo dia tena tolotra avy amin'ny fanjakana ary iankinan'ny fiharian-karena an-davanandro mihitsy. Io delestazy mampikaikaika antsika io. Ny fampanànana asa, fanamoràna ny famokarana, fanatsaràna ny fivezivezena sy ny sisa. Andraikitry ny fanjakana izany. Ny fampandriana ny fahalemana, fitandroana ny filaminam-bahoaka. Ain-dehibe eo am-pelantànan'ny fitondram-panjakana izany. Ny vidim-piainana, ny sandam-bola sy ny sisa maro hafa izay tsy ho voatanisako etoana. Miankina amin'ny politikam-pitondrana avokoa izany. Mahagaga ahy ireo olona milaza fa tsy hihinanan-kanina ny politika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT