Politique

Toe-draharaham-pirenena Hanao tatitra eny amin’ny kianjan’ny 13 may ireo depiote


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

Nanao rodobe nanatitra taratasy fangatahana fahazoan-dalana hamory vahoaka sy hanao tatitra teny amin’ny

prefektioran’Antananarivo eny Tsimbazaza omaly ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara sy ireo solombavambahoaka mpiaradia amin’ny firaisankinan’ny kandida . Manana fandaharam-potoana hanao tatitr amin’ny vahoakan’Antananarivo ireo depiote voafidy teto ka eny amin’ny kianjan’ny 13 no nosafidian’izy ireo hanatanterahana izany. Tatitra manodidina ny raharaham-pirenena sy ny toe-javatra maro samihafa ; atao izany mba tsy haha tompon-trano mihono, araka ilay fitenena ny vahoaka hoy ireto olomboafidy ireto.Andraikitry ny depiote ny manao tatitra amin’ny vahoaka rehefa aamin’ny fotoana tsy mbola fivorian’ny parlemanta tahaka izao, ary zon’ny olompirenena ihany koa ny mahafantatra sy mahazo vaovao momba ny raharaham-pirenena.
Fa tetsy ankilan’izay dia tonga nitsidika ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM teny amin'ny sampana fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana ihany koa ireo solombavambahoaka TIM sy ireo miara-dia amin'ny kandida 11 omaly tolakandro.Efa tapitra moa ilay 48 ora hahafahana mitazona azy saingy mbola nampiana 24 ora indray izany.Raha tsiahiviny dia ny Talata lasa teo no voatondro hiakaran’ny raharaha teny anivon’ny fitsarana saingy tsy tontosa izany hatramin’ny omaly. Manaraka akaiky ity raharaha ity izay hoy ireto olomboafidy ireto. Anisan’ny tazana omaly teny Fiadanana sy teny amin’ny prefekiora ohatra ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, Fidele Razara Pierre, Voninahitsy Jean Eugene, Todisoa Andriamampandry, Rodin Rakotomanjato…
Nangonin’i Lalaina Rav
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT