Toe-draharaha politika

• Tsy nipika resaka teny amin’ny HCC • Mifanenjana ireo kandida sy ny governemanta


  • Zoma 22 Septambra 2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

tamin’ireo masoivoho vahiny samihafa, dia nisy ihany koa omaly ny fihaonana nikaton-trano nifanaovan’ireo kandida miisa 10 tamin’ireo mpikamban’ny HCC notarihin’ny Filohany Atoa Florent Rakotoarisoa. Tazana teny an-toerana avokoa ny kandida 10 nahitana an’I Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, Tahina Razafinjoelina, Hajo Andrianainarivelo, Andry Raobelina, Roland Ratsiraka, Brunelle Razafitsiandraofa, Paraina Auguste, Lalaina Ratsirahonana. Tsy tazana kosa ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko sy Sendrison Daniela Raderanirina, ary nandefa solontena kosa ny kandida Andry Rajoelina dia ny loholona Tsiebo Mahaleo. Naharitra adin’ny iray sy sasany teo ny fihaonana nikaton-trano. Nifanaraka anefa ireo kandida fa samy tsy hamoaka sy hiresaka ny fifampiresahana tao amin’ny mpanao gazety. “Tsy misy zavatra hambara, fa nandeha tsara ny resaka tao, ary mbola hotohizana. Izahay nangataka hiaona taminy, dia izy no nandray anay. Azo lazaina ihany koa hoe: izy no niantso anay na izahay ihany koa no nangataka, fa mety daholo izany”, hoy ny kandida Jean Jacques Ratsietison. Ity farany izay naneho fa tsy vita indray mandeha ny fihaonana, saingy tsy nilaza mazava fandaharam-potoana manaraka. Ny solontenan’I Andry Rajoelina loholona Tsiebo Mahaleo kosa naneho fa nanasa ny HCC dia tonga izy nanatrika izay fanasana izay, ka tsy misy zavatra hotenenina loatra.
MBOLA MIHARIHARY NY FIFANENJANANA
Raha raisina amin’ireo sy ny mbola hitohizan’ny resaka, dia azo raisina fa mbola tsy zavatra tena tapaka sy hambara ofisialy amin’ny vahoaka Malagasy. Ny sary politika miseho kosa, dia manamafy fa mbola anaty krizy politika sy fifandirana mialohan’ny fifidianana isika. Adihevitra maro no mbola mitoetra raha raisina tamin’ny fanambarana sy fanoherana samihafa nataon’ireo kandida maro an’isa: fitoriana teny amin’ny HCC momba ny fandavana an’i Andry Rajoelina izay nahazo fankatoavana, fanoherana ny fahafahany mirotsaka, tsy fahatokisana ny HCC tamin’ny fanomezam-pahefana ny governemanta hitondra ny firenena kanefa ny Filohan’ny antenimierandoholona eo, ahiahy amin’ny HCC ho mitsikombakomba amin’ny governemanta ho tombotsoan’ny kandida iray,… Endrika manamafy ny tsy fisian’ny fihenjanan’ny tady ny filazan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa tsy misy krizy eto fa ireo kandida maro ho manakorontana. “Mandainga ny praiministra Ntsay Christian nilaza fa mila korontana sy tsy manaja lalampanorenana ireo kandida 11, hoy ny kandida Roland Ratsiraka, izay nilaza fa tokony hampivory ny solombavambahoaka sy ireo sendika rehetra ny FFKM ary tokony hapetraka ny "cour éléctorale spéciale" (CES) izay mitovy ny tamin'ny 2013. Efa niresaka ihany koa ny kandida Marc Ravalomanana tany aloha, fa azo atao tsara ny mametraka CES ary azo mety ho azo ivalozana ny didin’ny HCC raha tena misy finiavana hikaro-bahaolana. Ireo olon’ny governemanta, toy ny Minisitry ny fanajariana ny tany Atoa Pierre Houlder milaza fa fahatahorana handresen-dRajoelina satria nahavita zavatra betsaka ity farany ka any amin’ny fanakanana azy tsy hilatsaka no ketrehina,… Tsy mifanalavitra amin’ireny ny an’ny Minisitry ny serasera ary ity farany aza dia mampiharihary ny fanohanany ny kandida N°3 na mbola mitazona andraikitra ambony aza. Ny governemanta ankehitriny no isan’ny mitantana mivantana na ankolaka ny fifidianana ka isan’ny mampitombo ny ahiahy ireny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT