Toe-draharaha politika sy sosialy mafampana

Politisianina maro voahona, natao savahao, araha-maso


  • Zoma 19 Septambra 2025

Manomboka mafampana indray ny toe-draharaha politika

izay mifamatotra amin’ny olana ara-tsosialy amin’izao fotoana izao. Tsy manamaivana izany ny Fitondrana na eo aza ny teny fanamaivanana ataon’ny olon’ny fitondrana sasany manoloana ny tranga teny Imeritsiatosika ny alarobia teo, ny tetsy Anosikely omaly,… Ankatoky ny fifidianana loholona ihany koa moa isika, ary miha mafana ny adihevitra manodidina izany, seriny ny fitondrana raha tsy taitra sy milaza tsy handray anjara ny mpanohitra sasany. Miha mangotraka ny fifampiampangana manodidina Na izany aza miha miakatra ny adihevitra politika, fa miha mafana manaraka izay ihany koa olana ara-tsosialy tsy mety mivaha toy ny delestazy sy olan’ny rano. Tena mailo sy mikorapaka amin’ireny ny Fitondrana Rajoelina satria nialoha an’ireny, dia nandeha ny fisavana fiara natao tamin’ny depioten’Arivonimamo Rajerison Antoine, nitohy tamin’ny savahao sy fikasana hisambotra taorian’ny hetsika an-dalambe raha ny famoaham-baovao nataon’ity farany. Dia io ihany koa fa mandeha ny asa fitsikilovana an’ireo mpanolotsaina monisipaly nitarika bidon jaune sy jiron’akoho teny Anosy omaly. Misy ny fanaraha-maso sy fakana trano toeram-ponenana, raha ny fampahafantarana nataon’ny iray tamin’izy ireo omaly. Ampahany ireo, fa nialoha an’io ihany koa, mpanao politika maromaro ao anatin’ilay antsoina hoe Vondrona 3 tonta izay nanao fivoriana ara-politika herinandro mahery teo izay no fantatra fa nisy nahazo fandrahonana mba hipetraka tsara. Isan’ny nivoitra tao anatin’ny antso sy fanambaran’izy ireo moa ny fiantsoana governemanta tenierana amin’ny fanarenana. Karazana lamina politika ao anatin’ny fiaraha-mitantana hisorahana ny korontana sy ny rotaka ? Noraisin’ny fitondrana ho ambana amin’ny mety hisiana tsy fahamarinan-toerana politika hiafara amin’ny tsy maintsy hifandaminana amin’ny mpanohitra ? Na tiana na tsy tiana aloha, dia mafampana ary tena hafana ny 2 taona farany ho an’i Andry Rajoelina indrindra eo anatrehan’ny mety hikotrehana amin’ny fomba mivantana na ankolaka ny taom-piasana fahatelo ? Heverina ihany koa anefa ao anatin’izany ny fanamafisan-tseza sy fahefana amin’ny alalan’ny basy na « pouvoir au bout du canon » izay hita taratra ankehitriny fa izay mihetsika dia efa miantrana eo ny fandrangana hery mba hiarovana ny seza anatin’ny 2 taona farany !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT