Toe-draharaha politika sy fifidianana

Tonga ny iraky ny ONU, hitsahatra aloha ny “pré-campagne”,…


  • Alakamisy 28 Septambra 2023

Nigadona teto Madagasikara ny talata teo Delegasionina avy amin’ny Firenena Mikambana, izay tonga hanara-maso

ny toe-draharaha eto Madagasikara mialohan’ny fifidianana. Mitarika izany I Parfait Onanga-Anyanga, solontena manokan’ny Sekretera Jeneralin’ny ONU eo anivon’ny Vondrona Afrikanina sady Lehiben’ny Biraon’ny Firenena Mikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina. Ao anatin’ny 8andro nanomboka omaly ka hatramin’ny 4 oktobra izao ny dian’izy ireo, hihaona sy hihaino ireo herivelona, ka anisan’izany ny fihaonana tamin’ny FFKM. Tohin’ny dian’izy ireo teto tamin’ny volana martsa sady avy amin’ny fangatahan’ny governemanta Malagasy ny iraka ataon’ireo delegasionina. Hanaraka akaiky ny fahatanterahan’ny fokarakarana fifidianana filoham-pirenena atao ny 09 novambra ho avy izao, hanadihady momba ny zava-misy ankehitriny izay isehoana fifanoheran-kevitra sy fijery eo amin’ny mpisehatra politika mikasika ny fepetra hizorana amin’ny dingana ara-pifidianana hijerena ny fhafenoan’ny fepetra ahafahana miroso amin’io dingana ara-demokratika io. Fotoana fohy nialohan’ny fandraisan’izy ireo ny FFKM no nanehoana sy namoahan’ity rafitra ara-pinoana ity, fa tena mandalo fotoan-tsarotra tokoa ny firenena Malagasy ary mampanahy ny ho avy. Niantso ny olom-pirenena hivavaka ho eo anatrehan’ny fahalebeazana sy fahasarotan’ny iraka ataon’izy ireo amin’ny fikatsahana ny famahana ny olan’ny firenena ihany koa ireo Raiamandreny am-panahy, izay efa nisantantra ny fampihaonana ireo hery politika samihafa ahafahana mamaha ny olana ao anatin’ny fifampiresahan’ny samy Malagasy. Tsy niandry ela, fa nsy avy hatrany ny fihaonana teo amin’ny iraka sy ireo kandida, ka kandida 9 no tonga nihaona tamin’ny PNUD teny Ankorondrano satria nisy 3 tsy afaka dia ny Kandia Brunelle Razafitsiandraofa, Tahina Razafinjoelina, Sendrison Daniela, ary efa mahazatra kosa ny tsy fahitana ny kandida Andry Rajoelina. Fihaonana niresahana momba ny zotram-pifidianana no nifampiresahana. Voalaza fa hitsahatra avokoa aloha ny “pré-campagne” ho an’ireo kandida maro an’isa manomboka ny sabotsy izao mba hifantohana amin’ny fitadiavana vahaolana hamahana ny ny krizy. Henjakenjana ny toe-draharaha politika eto ka samy miandry ny rehetra hoe: hanao ahoana ny fivoarany?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT