Toe-draharaha politika sy fifidianana

Nihaona ny kandidan’ny FTT sy ny Ambasaoro Britanika


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Taorian’ny fihaonany tamin’ny Masoivohon’I Afrika Atsimo, ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina,

dia diplaomaty fahatelo nihaonana sy nifanakalozan’ny kandidan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na FTT hevitra ny Ambasadaoro Britanika eto miasa sy monina eto Madagasikara Atoa David Ashley. “Mitohy hatrany ny fihaonako amin'ireo masoivoho vahiny eto Madagasikara. Androany dia nifampidinika tamin'Andriamatoa David Ashley, Masoivohon'ny Royaume-Uni eto Madagasikara ny tenako. Noresahana nandritra izany ireo tsy fanarahan-dalàna maro be anatin'izao fikarakarana ny fifidianana izao sy ny tokony ampitoviana lenta ireo kandidà. Anisan'izany ny fampidirana angidim-by izay mbola tsy nahazoana valiny hatramin'izao. Notsindriko nandritra izany ihany koa fa tokony atao mangarahara ny fampiasana ny biletà tokana”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Midika izany, fa mahalala tsara ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, izay miara-miasa sy mifanome tànana ihany koa amin’I Madagasikara eo amin’ny fiaraha-miasan’ny samy firenena sy iraisam-pirenena, ny mety ho fifanomezan-tànana amin’ny endriny samihafa,... Manana ny fiandrianantsika isika, fa betsaka ihany koa ny fiaraha-miasa sy fifamatorantsika amin’ny vahiny amin’ny politika, toekarena, jeopolitika, ka lojika ary fanao ny fifanakalozan-kevitra momba ny raharaham-pirenena sy toe-draharaha politika, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT