Toe-draharaha politika sy fiainam-pirenena

Nihaona tamin’ny masoivohon’I Afrika Atsimo I Tahina R.


  • Alarobia 06 Septambra 2023

Nihaona tamin’ny Ambasadaoron’ny firenena Afrikana Tatsimo Atoa Sisa Ngombane teny amin’ny birao fonenany ny Kandidan’ny

Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na ny FTT dia Atoa Tahina Razafinjoelina omaly maraina. “Manoloana ny zava-misy ankehitriny momba ny fifidianana dia noresahana ny ahiahy manodidina ny fanomanana sy fikarakarana izay irariana hirindra amin'ny atsakany sy andavany. Ny ahiahy tsy hihavanana ka izay no antony tsy maintsy hizarana izany amin’ny masoivoho avy any ivelany”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Tsapa mantsy, hoy izy, fa misy foana ny fitongilanana sy ny fiangarana amin’ireo kandida, antony mahatonga antsika hangataka ny mba hampitoviana lenta ny rehetra. Hatreto dia mbola miandry izay mety ho tohin’ny fampidirana ny angidim-by eto an-toerana isika, izay inoana fa tsy hatao sakana ny amin’ny tsy hizoran’ny fifidiananana araka ny tokony ho izy, hoy hatrany I Tahina Razafinjoelina. Manana ny fiandrianam-pirenentsika isika, fa mivelatra ihany koa amin’ny sehatra sy ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena eo amin’ny lafiny diplaomasia, politika, toekarena,... Raha vao miresaka Afrika Atsimo izany, dia maro ihany koa ireo sehatra sy fifamatorana eo amintsika sy ity firenena ity. Iray amin’ireo Firenena matanjaka mandrafitra ny BRICS, izany hoe: manana ny tanjany ara-toekarana. Manana ny tantarany ihany koa tamin’ny lafiny fampihavanam-pirenena izay antoka lehibe niteraka ny fahombiazany, izany hoe: azon’I Madagasikara atao fitaratra tsara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT