Tsy misy kisendrasendra amin’ny politika,
fa ireo tranga misesisesy dia efa vita kajikajy avokoa, araka ny nambaran’ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael herinandro katroka androany, manoloana ireo trangan-javatra ara-politika miseho. Manomboka miharihary tokoa ny fisiana fikononkononona ara-politika ezahana voizina mafy amin’izao fotoana izao. Niainga teo amin’ny fipoiran’i Andry Rajoelina sy ny fanambarana nataon’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy, nisesy ny fikopahana afo ara-politika, ka nisy nivoy hatramin’ny hoe : hidio ny sisin-tany, manomboka ho ratsy ny tantara,… Nisy ny fambolena horohoro ho an’ny vahoaka nivoizana mafy ny alin’ny alahady 8 febroary teo toy ny hoe : hipoaka ity, vaky ny adin’ny miaramila,... Zava-dehibe ny finiavana sy fahasahiana nasehon’ny manamboninahitra iray tany aloha, izay nahasahy namaky ady tamin’i Mamy Ravatomanga, saingy fanamarihan’ny olom-pirenena ihany koa dia ny hoe : tsy tena nikitika an’i Andry Rajoelina, izay mety hiteraka petra-kevitra manan-danja sy mifandraika amin’izao toe-draharaha izao. Nilaza ny depiote iray tao anatin’ny famakafakany fa nisy fikotrehana haka Fanjakana, ka manamboninahitra iray no voalaza fa nifandray tamin’ilay iray nanao ampamoaka. Efa nisy fifampiresahana sy fampitandremana ka nipetraka io iray io. Nambaran’io depiote io fa nanaratsy endrika ny fitondrana no isan’ny antony nanesorana ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy, izay nanao fihetsika hafahafa toy ny fidirana tany amin’ny seranantsambon’i Toamasina. Misesy ireo tranga hafahafa, ka nandeha ny fivoizana fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey anio alatsinainy 16 mey izao,… izay olona any ivelan’i Madagasikara izay efa nanenjika ny fitondrana ankehitriny hatrany am-boalohany no mivoy mafy an’io. Olona any ivelan’i Madagasikara no manajoboka vahoaka amin’ny hoe : efa miaraka amintsika ny tafika, ny zandary, ireo mpitandro ny filaminana. Isan’ny paikadim-pampiadiana nentina nikopak’afo teto foana moa ny resaka zandarimaria mba hikomy amin’ny Fanjakana, saingy iny efa nambaran’ny Filoham-panjakana iny mazava iny fa tsy ny zandarimaria no ratsy fa ireo olom-bitsy nihoa-pefy nanaratsy endrika azy.
EFA NAHETSIKA IREO OLON-DRAJOELINA FA NITSEFOTRA
Tsiahivina fa efa nisy an’ilay fidinana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey nataon’ny volomboasary ny 25 oktobra 2025 notarihin-dry Depiote Marie Michelle Sahondrarimalala sy Rinah Rakotomanga izay samy any am-ponja ankehitriny, fa zara raha nahazo olona na re aza fa nisy volabe natontona tao anatin’izany. Dia nivoaka avy eo ny dosie voalaza fa mbola fisiana fampiasana vola amina miliara entina hanakorontanana, ka nisian’ny fisamborana ilay depiote voalaza anarana tetsy ambony sy olona 12 hafa izay ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana. Nangingina taorian’izay, saingy io manomboka mandeha io indray ny fikonokononan-javatra. Vita ireny, dia io misy ahiahy mikasika mpanao politika io, ka isan’ny ahiana mafy ireo olona akaiky an’i Andry Rajoelina, toa ny Governoran’i Vakinankaratra teo aloha Vy Vato Rakotovao izay re fa nosamborina sy nentina hatao famotorana eto Antananarivo ny sabotsy teo, ny depiote Augustin Andriamananoro izay nafampana ny fikasana hanao fisavana teny amin’ny fonenany teny Antananarivo Atsimondrano,… izay mety misy ny zavatra ahiana. Ity farany izay tafiditra ihany koa tamin’ny raharaha maro toy ny ahiahy ho nampiantrano ilay karana Khushwinder Singh voarohirohy tamin’ny afera Boeing 777. Fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena sy fikasana hanao fanakorontanana na « Atteinte à la sûreté de l’Etat et Tentative de déstabilisation », no voalaza fa antony mahasaringotra ireo olona ireo.
MISY FINIAVANA HANDRODANA NY FITONDRANA…
Tsy mandehandeha ho azy ny zava-mitranga, fa tena misy finiavana handrava sy handrodana ny Fanjakana mijoro. Mety tsy ho avy ato anatiny irery, fa mety misy dian-tànana ara-jeopolitika, mety misy hidirana firenen-dehibe, vondrona ara-toekarena matanjaka,… Manahirana ny hafa ny safidy ara-politika sy jeopolitika entin’ny mpitondra mitantana ny Firenena na maneho aza fa misokatra amin’ny rehetra izay ahazoana tombotsoa ary tsy misy afaka mitsivalana na manakana amin’izany. Isan’ireny ny mety fanaovana pi-maso amin’ny tatsinanana, ny nanehoana fa vonona ho mpiara-miombon’antoka amin’ny BRICS (Brésil, Russie, Inde, Chine, South Africa). Tsy mbola nisy anefa ny filazana hoe ireto no mpiara-miombon’antoka stratejika, fa fanehoana fisokafana no nisy. Eto an-toerana, misy dingana fanadiovana hiadiana amin’ny kolikoly sy ny tsy maty manota izay re fa mbola hitohy sy hihamafy ny fisavana sy fanaraha-maso ankoatra ny fanadihadiana efa mandeha,… izay mety manahirana vondrona ara-toekarena. Henjana ny fanapahan-kevitra ara-toekerana sy ny fahasahiana ampahibemaso nasehon’ny Fanjakana toy ny hanalalahana ny seha-pihariana sy ny seha-pandraharahana ialana amin’ny ampihimamba raha tsy hilaza afatsy ny resaka fifandraisan-davitra,… Mety manahirana ara-politika ho an’ny sasany ihany koa ireo endrika fahombiazana sy fivoarana tsikelikely, toy ny karaman’ny mpiasam-panjakana miakatra 14%, “indemnité de craies” sy “indemnités de logement” 335.000 Ar ho an’ny mpampianatra, hampitombo 24% ny vola miverina any amin’ny Kaominina sy ny faritra,… Tsy hahafaly ny mpitondra tsy nahomby am-polo taonany ireny ! Na izany na tsy izany, mila jerena sy ahitsy ihany ireo toe-javatra manaratsy endrika ny fitondrana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.