daholo ve ireo manodidina azy ireo ?
Zary lasa efa foba mahazatra eto tato anatin’ny 10 taona teo izay ny adihevitra politika amina sehatra maro, amin’ny haino aman-jery, anaty tambazotra sosialy toa ny facebook, eo amin’ny fianakaviana, mpiara-miasa , mpinamana, any amina fety aman-danonana, eny hatrany am-piangonana sy eny am-pandevenana aza.
MBOLA MAHAFEHY NY TOE-DRAHARAHA VE ?
Mandeha ny adihevitra amin’izao fotoana hoe : mbola voafehin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tokoa ve ny fitantanana ny firenena amin’ny ankapobeny sy ny politika eto ? Moa ve tena toromarika avy any aminy no mahatonga ireo olona ambara fa hoe manohana sy miara-dia aminy mahery fiteny sy toa mandrangitra olona isan’andro amina vava tsy voahevitra. Dia ilay fitondram-panjakana iray manontolo no voahosopotaka avy eo. Misy mahavita politika maloto manakorontana avy ao anatiny ihany koa . Ka moa ve tena mbola mitambatra tsara ny TGV MAPAR IRMAR, tsy hay intsony moa izay tena anarany. Moa ve tena mbola 100% ao an-damosin’i Andry Rajoelina izy ireo ? Ny politika avo lenta mantsy matetika dia ahitana olona hafa mihitsy mitsoka ny mangatsiaka sy ny mafana fa tsy voatery ho ilay filoha io. Any am-parany tavela irery eo ilay Filoha, tahaka ny hoe natoka-monina ao an-dapa fa ny hafa kinga be manao mody tsy miteny na mamadika palitao , dia izay no vita. Rava ilay fahefana be. Tena mbola mahatoky ireo olona akaiky azy ireo ve amin’izao septambra 2025 izao i Andry Rajoelina ; aiza izao ireo fitaovana goavamben’ny Jirama namoriana minisitra sy tompon’andraikitra ambony vitsivitsy 2 herinandro lasa ka nanomezany toromarika hoe hafaingano ny fitaterana avy any Toamasina mankaty Antananarivo, efa niainga ve ireo ? Isan-taona i Andry Rajoelina milaza fa kely sisa, miaritra kely sisa dia hivaha ny olan’ny delestazy. Taona 2019 no nanomboka niteny izany efa ho avy ihany ity ny taona 2026, aiza izay vahaolana ? Ny mpitazana dia mieritreritra hoe sao lahy ka misy mpamosavy malemy ao anaty fitondram-panjakana ao ka ireny ihany no tena manimba zavatra sy mandrehitra afo eto. Ny mpanohitra efa fantatra fa manohitra, tsy misy zava-baovao amin’izany fa ny ao an-dapa mamadika anie no ratsy e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.