Manatanteraka iraka eto Madagasikara ny iraky ny Vondrona SADC nanomboka omaly 23 novambra hatramin’ny 28 novambra ho avy izao. Isan’ny heverina ho lehibe ao anatin’io ny resaka politika sy ny toe-draharaha mialohan’ny fifidianana.
Manao fanadihadiana sy fakan-kevitra amin’ireo ankolafin-kery samihafa eto anivon’ny firenena mantsy ireo iraky ny SADC (Southern African Development Community). Tsy tongatonga ho azy izany, fa tena misy dikany sy lanjany goavana ara-politika. Tsy marin-toerana rahateo ny toe-draharaha eto amin’izao herintaona mialohan’ny fifidianana izao. Na manana ny fiandrianany araka ny resahana foana aza isika, matetika miditra an-tsehatra ireo antanan-tohatry ny rafitra iraisam-pirenena ikambanantsika rehefa misy toe-draharaha mafampana indrindra fa ara-politika. Na lazaina fa tsy misy krizy aza eto, tena ahiana ny rombo ara-politika, raha tsy misy fepetra sy fandaminana raisina. Izay no heverina fa mampiditra an-tsehatra ny sehatra iraisam-pirenena tahaka izao, ary efa fahita foana ny tahaka izao, raha tsy hilaza afatsy ny tamin’ny raharaha 2021-2022, ny raharaha 2009,… Etsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina no mandray ireo ankolafin-kery samihafa ny iraky ny SADC ka ho an’ny omaly, dia ny solontenan’ny mpanohitra no isan’ny voalaza fa noraisina teny an-toerana. Andrasana ny tohiny sy ny tatitra mazava mikasika ity fidirana an-tsehatry ny SADC ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.