Politique

Toe-draharaha politika Andrasana izay holazain’ny “LERA” anio


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Anio alakamisy 26 janoary 2023 manomboka amin’ny 10 ora maraina no hanao fihaonana tsy amin’ny Espace Mahatehotia Iavoloha ny “Hetsika LERA”, raha ny fampahafantarana sy fanasana hita niparitaka.

Karazana vovonana politika ahitana mpanao politika maro samihafa, misy olom-boafidy am-perin’asa sy tompon’andraikitra ara-panjakana samihafa teo aloha io, raha ny fahafantarana ireo mpikatroka sasany. Andrasana izay tena ho ambarany amin’io, fa raha ny re sy fantatra efa tao anatin’ny andro maro, dia hirona amin’ny fanoherana ny Fanjakana Rajoelina, ary mety hanatsikafona ireo ambara fa tsy fahombiazan’ny Fitondrana ankehitriny tao anatin’ny 4 taona nitondrany: politikam-panjakana, toekarena, sosialy, fitantanam-bola,… Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny raharaham-pirenena amin’ny ankampobeny, ka hiadiana amin’ny tsy rariny sy ny fangirifiriana mahazo ny vahoaka Malagasy sy ho fisorohana ny krizy rehetra izay mety hisy na mialoha, na mandritra, na aorian’ny fifidianana re fa mety ho ambara fa antom-pijoroan’ity vovonana ity. Andrasana ny ho akony anio sy ny ho tohiny!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT