TOE-DRAHARAHA MANERAN-TANY

Misy loza manambana, hoy Pastera Mailhol


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Misy loza manambana maneran-tany hoy Pastera Mailhol filoha mpanorina

ny Fiangonana Apokalispy tamin’ny Sabotsy teo. Ahiana ny hisian’ny ady lehibe fahatelo hoy izy vokatry ny ady misy eo amin’ny Rosia sy Ukraine raha toraka izany ihany koa ny ady ao Israely. Noho io antony io dia nahazo baiko avy tamin’i Jehovah izy ny faran’ny volana Martsa lasa teo ny mba hanaovana fivoriana masina sy fifadian-kanina hahafahana mifona ho an’ny firenena sy miaro ny vahoaka Malagasy. Tanteraka ny Sabotsy teo teny amin’ny Coliseum Antsonjombe io vavaka fifadian-kanina io izay tsiahivina fa nanomboka tamin’ny Zoma 05 Aprily lasa teo maty masoandro ka hatramin’ny Sabotsy 06 Martsa maty masoandro ho an’ny Fiangonana Apokalipsy eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsy adinon’ny Pastera Mailhol sy ireo mpino ao aminy nandritra izany ny nitondra am-bavaka manokana ho an’i Madagasikara mba tsy hisian’ny korontana ka handry fehizay ny firenena. Raha mihaino Jehovah hoy izy dia hilamina ny firenena fa raha tsy mihaino kosa izy dia efa mba voaaro amin’ny loza maro samihafa ny vahoaka Malagasy. Aleo rahateo misoroka hoy Pastera Mailhol toy izay mitsabo. Mpino Apokalipsy an’aliny moa no tonga teny amin’ny Coliseum Antsonjombe tamin’io afak’omaly Sabotsy io. Niara-niombom-bavaka nanao fifadian-kanina tahaka izany koa ireo mpino Apokalipsy rehetra manerana ny Nosy sy maneran-tany. Manentana ny rehetra izay afaka miara-miombom-bavaka sy manao fifadian-kanina tahaka izany ihany koa Pastera Mailhol na dia tsy mpino Apokalipsy aza ho tombontsoa ambonin’ny firenena.
Pati
Legende : Mpino Apokalipsy an'aliny no niatrika fifadiankanina teny am Coliseum!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT