Politique

Toe-draharaha mafampana Miandrandra mafy ny tafika i Rajoelina


  • Zoma 23 Desambra 2022

Nisy omaly 22 desambra 2022 ny lanonana ara-miaramila notanterahina teny amin’ny Vondron'ny mpilatsaka an’elon'aina voalohany - Ivato,

nanolorana ireo faneva ho an'ireo manamboninahitra Jeneraly miisa 25 nahazo ny laharam-boninahitra tamin'ny taona 2021. Anisan'isany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Général de Corps d'Armée Serge Gellé, ny Jeneraly Professeur Ratovondrainy Willy izay anisan'ny nitarika ny ady tamin’ny Covid-19,... Isan’ireo ihany koa ny Jeneraly Elack Olivier Andriankaja Lehiben’ny BNGRC sy ny Jeneraly Lylison de Réné governoran’I Sofia, izay isan’ireo nanampy an-dRajoelina tamin’ny fakana fahefana ivelan’ny voafaritry ny lalàmpanorenana ny tamin’ny 2009. Lanonana izay notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Tsikaritra tao anatin’ny kabarin’ny Filohan’ny Repoblika ny fanaovany pi-maso sy fianteherany mafy amin’ny Foloalindahy sy ny mpitandro ny filaminana eo anatrehan’ny toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena. “Aoka tsy ho sanatria hitsipaka ny voady sy ny fanoloran-tena hiaro ny firenena, hitandro ny fiandrianam-pirenena, hametraka ny fitoniana,… Fefiloha hanakana izay mihoa-pefy mikasa handetika ny firenena, miaro ny ambana na avy ato anatiny na avy any ivelany ianareo. Manoloana ny ady izay mbola atrehina, miandrandra hatrany ny foloalindahy mba ho tandroka aron’ny vozona hiaro ny vahoaka sy ny tanindrazana, fiandrianam-pirenena,…”, hoy I Andry Rajoelina, izay nilaza fa tsy mendrika korontana ny vahoaka Malagasy, tsy mila korontana raha tiana handroso ny firenena. Nandritra io no nilazany fa amin’ny tapaky ny volana janoary 2023 no ho tonga ny angidim-by raitra Airbus H-130 nampanantenainy, nambara fa zavatra vaovao, nivoaka tamin’ny ozinina tao Afrika Atsimo, ho tonga any amin’ny seranantsambon’i Toamasina. Naneho moa ny Filoha, fa tena nijery ny mpitandro filaminana ara-potodrafitrasa, ara-pitaovana,… Nanome toky kosa ny Minisitry ny fiarovana, fa manoloana ny mety ho finiavana hampisavorovoro, dia manambara ny foloalindahy fa hijoro tsy handefitra raha misy minia manakorontana. Nilaza fa efa miroso amin’ny fandrosoana I Madagasikara ka tsy ekena ny fanakorontanana. Nanmabara noho izany ity jeneraly ity tamin’ny anaran’ny Foloalindahy, fa tsy handefitra eo anatrehan’ny fanakorontanana sy fihoaram-pefy, ary handray andraikitra eo anatrehan’ny ambarany fa fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena. Nilaza fa ao an-damosin’ny Filoham-pirenena ny tafika sy ny mpitandro filaminana amin’ny maha filoha voafidim-bahoaka sy andrim-panjakana azy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT