Politique

Toe-draharaha mafampana Hifamory etsy Tsiadana ny mpanao politika anio


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Miantso ny mpanao politika ho tonga etsy amin’ny Espace Dera Tsiadana ny vovonana politika maro rahampitso, ho tohin’ny fivoriana sy fanambarana izay efa nataon’izy ireo teny Andraharo,

araka ny fanambarana nahitana ny avy amin’ny RMDM omaly. Nasain’izy ireo manokana mandritra io ireo kandida Filoham-pirenena tamin’ny 2018, ireo mieritreritra hirotsaka hofidiana, mpanao politika sy antoko rehetra, sendika, firaisamonim-pirenena, mpandraharaha,… rehefa manana andraikitra amin’ny raharaham-pifidianana sy ny fanavotam-pirenena. Tamin’ny voalohany dia efa nanome toky, fa hatsangana ny Komitin’ny fanavotam-pirenena ka anio no hitondrana sy hanehoana an’izany rafitra izany, raha ny fanambarana tetsy Bel’Air Foiben’ny Antoko TIM sy ny RMDM omaly. “Famerenana ny tany tan-dalàna sy fanajana ny lalàmpanorenana ary ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, mba hananana fifidianana mangarahara, madio, milamina, ary eken’ny rehetra no tanjona. Tsy milatsaka avy any an-danitra izany, fa mila fifampiresahana sy fifamarafarana ary fifanakalozan-kevitra vao tonga amin’izany satria ny hevitry ny maro no mahataka-kavitra, ary ny fifampiresahana no mampilamina”, hoy izy ireo. Teboka maro no horesahana, toy ny lalàm-pifidianana, izay hita tsy mety dia hasiana resaka ny fanarenana azy, ka izay no iantsoana ireo Raiamandreny mieritreritra hitantana ny firenena, ka izay no hifanakalozana hevitra, hoy hatrany ny fanambarana sy antso nataon’ireo mpitarika ho an’ny omaly. Herinandro lasa izay, efa nisy ny fanambaran’ny RMDM fa manomana hetsika fidinana eny amin’ny Araben’ny fahaleovantena entina hanoherana ny mpanjanantany araka ny fanasokajiany ny fizakan’ny Filoha ankehitriny ny zom-pirenena Frantsay. Andrasana noho izany izay mety ho akon’ny fihaonana politika etsy amin’ny Espace Dera Tsiadana anio ity, fa ny tsikaritra aloha dia manomboka mafampana ny toe-draharaha, indrindra taorian’ilay resaka zom-pirenena, ny fivoahan’ny didim-panjakana momba ny fifidianana, ny fahatongavan’ny iraky ny SADC eto Madagasikara,…
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT