Toe-draharaha eto Madagasikara

Hivory sy handinika manokana ny SADC anio


  • Alatsinainy 29 Jona 2026

Hivory amin'ny fomba ampitain-davitra

ireo filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta ao anatin’ny SADCanio 29 jona 2026, handinika manokana ny toe-draharaha eto Madagasikara. Ny tatitra avy amin’ireo solontena maro nalefan’ny SADC teto no entina hiaingana amin’ity fivoriana ity. Miankina bet-saka amin’ny fanapahan-kevitry ny SADC ny fivoaran’ny hevitry ny Vondrona Afrikanina, na dia efa nilaza aza izy ireo fa miandry filoha voafidim-bahoaka vao ho afaka miverina ao anatin’ny fivoriana sy ny hetsika ataon’ny vondrona Afrikana i Madagasikara. Tamin’ny 17 desambra 2025, nanao fivoriana mano-kana ampitain-davitra ny SADC, izay nifantoka tamin’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Nohamafisin’ireo mpitondra ao amin’ity rafitra ity ny filàna hiaro ny rafitra ara-dalàna sy hanangana fifampiresahana nasionaly iarahan’ny Malagasy rehetra. Teo ny firesaka diplaomatika tsy dia nanakiana loatra ny fiovam-pitondrana teto, fa nisy ihany koa ny fiantsoana hamelana malalaka an'ireo sesin-tany politika hody sy handray anjara feno amin'ny raharaham-pirenena. Teo ihany koa ny fitakiana tondrozotra mazava mikasika ny tetezamita. Nampidirina ny "Panel des sages" sy ny "Groupe de référence" hanohana ny dingana hivoahana amin’ny krizy sy hanomana fifidianana. Joyce Banda, filoha teo aloha tao Malawi, no notendrena hitondra ny ezaka ara-diplaomasia hanamora ny fifampiresahana eo amin’ny manampahefana, ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpisehatra politika. Tamin’ny volana janoary 2026, nisy ny fihaonana tany Afrika Atsimo, noraisin'ny Filoha Afrikanina tatsimo Cyril Ramaphosa tany Pretoria tao amin’ny Mahlamba Ndlopfu ny Filoham-panjakana Malagasy Kolonely Randrianirina Michael. Naneho ny fepetra ho amin’ny Fitondrana milamina eto Madagasikara izy ary nampahafantatra ny SADC momba ny dingana efa mandeha. Ramaphosa kosa nanamafy ny fanohanan’ny SADC ho amin’ny fifampiresahana anaty sy fiverenana amin’ny rafitra ara-dalàna. Hisy akony amin'ny fivoriana anio ve ireny. Ny fanohanana na tsia avy amin’ny SADC dia mety hanokatra na hanidy varavarana amin’ny fiverenana ao anatin’ny rafitra Afrikananina, saingy izay vokany eo dia tsy tokony ho sakana amin'ny làlana heverin'i Madagasikara fa mahamety sy mahasoa ny Firenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT