TOAVINA RALAMBOMAHAY

« Tohizantsika eny amin'ny antenimiera ny tolona »


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Tsy zoviana amin’ireo mpisehatra samihafa intsony ny kandida Toavina Ralambomahay.

Teny 67 ha ny tenany no nanao fidinana ifotony ary avy hatrany dia naneho ny fahavonona hanohana ireo mpisehatra samihafa ireo tahaka ny mpivarotra, ny olom-pirenena ary ny taxi-moto an’arivony. Ity mpanolontsain’ny tanàna ity no nanosika ny fampanarahan-dalàna ny taxi-moto eto an-drenivohitra ary izao afaka misehatra izao ankehitriny. Tsy mijanona hatreo ny ady hoy ity kandida laharana faha-6 eo amin’ny boriboritany voalohany ity. Tsy maintsy hihazakazaka eny Tsimbazaza, eny amin'ny antrnimierampire nena isika, hitondra ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Ankoatra izay, isan’ireo niady mikasika ny fandaminana ireo mpivarotra hatrany ity mpanolontsaina ity, ka isan’ny tena manosika azy ireo hanohana azy handray ity toeran’ny solombavambahoaka ity izy ireo. Laharana faha – 6 ny kandida Toavina Ralambomahay ao amin’ny boriboritany voalohany.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT