“Misedra olana roa goavana ny fametrahana ny fanoherana eto Madagasikara” hoy Toavina Ralambomahay, mpanao politika sady mpanao gazety.
Voalohany, ny fitondram-panjakana mihitsy no miezaka foana ny tsy hisian` ny mpanohitra. Na ny tamin` ny andron` ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina na koa nandritra ny fitantanana vonjimaika teo amin` ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao. Na ny Filoha Rajoelina, ankehitriny aza dia miezaka foana tsy hisian` io mpanohitra io. Anisan` izany ny ministeran` ny atitany sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izay namoaka hevitra in-droa hoe tsy azo atao ilay izy. Tamin` ny andron` i Hajo Andrianainarivelo ohatra tamin` ny 2016 sy tamin` ny 2014, izay nangatahin` ny antoko Humaniste et Ecologiste, ny fampiharana izany. Amin` izao, dia tsy maintsy didy fampiharana sy ovaina indray ny lalàna mifehy ny fanoherana eto Madagasikara, hoy hatrany i Toavina Ralambomahay. Notspihany kosa fa tanjon` ny fitondrana nifanesy dia tsy hisy ny fanoherana eto Madagasikara ary efa dimy taona mihoatra izay. Etsy ankilany kosa, hoy ity mpamakafaka politika ity, ny mpanohitra tsy mahavita mivondrona sy miresaka ka sarotra be ilay izy. Nambarany fa ny vahoalana dia ny manomana ny dimy taona manaraka, izay ny atao hoe “mpanohitra manomana ny fifidianana manaraka” ka ny akaiky indrindra dia ny fifidianana ben` ny tanàna. Mahakasika ny fametrahana lehiben` ny mpanohitra dia milaza ny lalàna fa mivory ireo antoko mijoro ara-dalàna, izay nametraka taratasy teo anivon` ny ministeran` ny atitany ka mifidy izay lehiben` ny mpanohitra. Tsy mila HCC na fanjakana izany fa afaka mifidy. Raha mifidy filohan` ny Antenimieram-pirenena ireo depiote dia tsy mila ministera,… ka toy izany ny an` ny mpanohitrra satria andrim-panjakana, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.