Toavina Ralambomahay

"Fotoana izao hijoroana ay hanovàna"


  • Alarobia 15 Mey 2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

misy eto amin’ny firenena ny vahoka malagasy. Làlana maro no ahafahana manarina an’i madagasikara ankehitriny. Isan’izany ity fifidianana depiote ity, hoy ny kandidan'ny Kôlekitifa an'ny Malagasy ao amin'ny boriborintany voalohany Toavina Ralambomahay. Ny antony, raha olom-pirenena avy amin’ny vahoaka, mahalala tsara ny tena marary ny vahoaka sy ny filan’ny vahoaka no tonga eny amin’ny antenimierampirenena, tsy maintsy hisy ny fiovàna amin’ny fiainam-bahoaka, hoy i Toavina Ralambomahay .Tsy maintsy miainga avy amin’ny safidin’ny vahoaka dieny izao izany ny ho avin’ny fiainan’ny Malagasy maro an’’isa ao anatin’ny taona manaraka ho avy eo io. Izay indrindra hoy hatrany ny fanehoan-keviny no antony, tokony handinihan’ny olom-pirenena tsirairay, mba ho saro-piaro amin’ny fiainam-pirenena fa indrindra handray an-tanana ny ho avy. Ka isan’ny tena antsoina araka izany ny fitsanganan’ireo maro an’isa tsy naneho hevitra hatramin’izay, handrotsa-bato ary hahay hifidy ireo izay heverina fa afaka ny tena hisolotena eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Isan’ny efa nanomboka amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka ny kandida solombavambahoaka amin’ny boriboritany voalohany, Toavina Rlambomahay teo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ka mila tohizana eny amin’ny antenimierampirenena izany.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT