Politique

Toamasina Renivohitra Hiady an-trano ny fianavakiana Ratsiraka ?


  • Talata 10 Septambra 2019

Manomboka miverina miakatra ny maripana eo amin`ny tontolo politika, indrindra amin`izao fotoam-pifidianana ben`ny tanàna izao. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa manerana an`i Madagasikara.

 Hanao fanambarana goavana i Roland Ratsiraka anio ka asa raha ho kandidà ao Toamasina I. Marihana fa nisedra fifidianana solombavambahoaka izy teo, amin`ny anaran`ny MTS (Malagasy Tonga Saina), antoko tarihiny ary lany. Efa ben`ny tanànan`i Toamasina. Efa in-telo nirotsaka hofidiana filoham-pirenena fa tsy lany. Ny zava-misy anefa dia misy milaza koa fa mety harotsaky ny vondrona IRD (Isika Rehetra miaraka amin`i Andry Rajoelina) i Sophie Ratsiraka, izay zanaka vaviaivon`ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsiraka. Raha misy tokoa izay dia hisara-bazana ve ny fianakaviana Ratsiraka ? Ny fifidianana monisipaly ao Toamasina I ihany koa dia hanan-danja noho izy renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fisian’ny seranan-tsambo lehibe ao aminy. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fitaterana, ny mombamomba ny fiara, ny fiantohana ary ireo mpandraharaha lavanila sy jirofo, miampy ny fikambanan’ireo tantsaha mpamboly ao anatin’ny Faritra. 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT