Politique

Toamasina Novonoin’ireo mpaka an-keriny i ANNIE


  • Alatsinainy 21 Desambra 2015

Nivadika zava-doza ny fakana an-keriny ireo mianadahy zanaka mpandraharaha tany Toamasina. Taorian’ny nahitana ilay fiara 4x4 Mitsubishi mantsy dia hita faty tao Verrerie Toamasina halina, tsy dia lavitry ny trano fonenany,

 

 

i Annie ilay tovovavy vao 14 taona monja. Raha ny tombantombana voalohany tamin’ny nahitana ny vatana mangatsiakan’ity zazavavy ity dia niharan’ny fampijaliana izy mialoha ny nahafatesany. Porofon’izany ny tendany niolana tamin’ny fotoana nahitana azy ary feno gazoala ny kibony, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Tsy mbola fantatra kosa izay misy an’i Arnaud ilay anadahi’i Annie hatramin’izao. Ankoatra ny nahitana an’ilay fiara 4x4 dia anisan’ny vaovao farany re momba azy mianadahy ireto tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa iny ny fidongian’izy ireo tsy mety mihinan-kanina. Marihana fa tratran’ny mpitandro ny filaminana teo anivon’ny “cellule” mpanao fanadihadiana sy fikarohana ilay fiara tsy mataho-dalana Mitsubishi miloko “gris” fanaterana azy mianadahy mianatra, nitondra azy ireo nandositra nandritra ny fakana an-keriny azy. Tao Andranomadio P/elle 11/42 lot 241 tao amin’ny tranona mpiasan’ny fitsarana tao anaty garazy no nahatrarana azy. Efa teo am-panovana ny lokony ho fotsy ireto jiolahy tamin’ny nahitana ilay fiara, saingy tsy mbola vita hatramin’ny farany. Mbola tratra tao anatin’ilay fiara ihany koa ny laharana, 9012 TAV, vaovao nokasaina hapetraka taminy sy ny soratra hoe “Assistance Technique” hanamorana ny hamindrana ilay fiara noho ny fikarohana efa mandeha be ankehitriny. Nandritra ny fisavana sy fisamborana natao dia jiolahy iray ihany no tratra niaraka tamin’ireo tovolahy roa mponina manodidina ahiahiana mahalala vaovao saingy tsy niteny. Efatra kosa afa-nitsoaka.

RTT sy Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT