Toamasina

Mpanafika cash point roa voasambotra


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Mpanao cash point iray naratra notifirin’ny jiolahy Lehilahy roa tamin'ireo efatra

nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teo amin'ny Dépôt 4ème no voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam- paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana ny talata 24 Septambra teo. Ramatoa iray miasa amin'ny cash point no saika lasibatry ny jiolahy rehefa nitondra vola handeha hody teo amin'ny dépôt 4ème tamin'ny 07 ora hariva. Nahatazana ny fihetsik'ireto farany ny rangahy iray tompona cash point ka nanao izay hanakanana ny fandrobana. Tamin'izany indrindra no nitifiran'iray tamin'ireo jiolahy azy ka nandràtra ity farany. Tsy nisy araka izany ny vola very. Nisy ny fikarohana nataon'ireo Polisy tao an-toerana ka ny roa tamin'ireo jiolahy no tratra. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany hafa.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy mpanafika cash point ao Toamasina ao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT