Toamasina I

Kandidan'ny kolekitifa i Roland Ratsiraka


  • Talata 09 Aprily 2024

Tafapetraka omaly alatsinainy 8 aprily, fe-potoana farany ny antontan-taratasy

filatsahan-kofidian'i Roland Ratsiraka filoha nasionalin'ny MTS ary tohanan'ny kolekitifa an'ny Malagasy amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao Toamasina I. Michèle Randriantsalama no mpiray lisitra aminy. Zanak'i Toamasina, mahalala tsara izany tanàna izany satria sady efa depiote no ben'ny tanàna tao i Roland Ratsiraka. Zanak'omby tsy ampianarin-domano ihany koa eo amin'ny tontolon'ny politika satria efa avy minisitry ny fitaterana sy ny fizahan-tany, efa avy minisitry ny asa vaventy ihany koa.Anisan'ireo kandida nafana fo nitarika ny hetsiky ny collectif des candidats i Roland Ratsiraka ary miara-dalana amin'ny kolekitifa an'ny Malagasy ankehitriny satria tsy mbola vita ny tolona ho an'ny fanovana ary tena karazana fihodinana faharoa amin'ilay fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taon-dasa ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey io.Ho an'i Roland Ratsiraka moa dia fahavalo iombonana ary mila resena ny fahantrana, ny fitantanana tsy mendrika, ny tsy fanajàna lalàna ary ny fanaparam-pahefana.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT