Feno nanomboka omaly ny voka-pifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka ao Toamasina I raha ny alahady ny tompon’andraikitry ny birao fandatsaham-bato sasany vao nanatitra ny fitantanana an-tsoratra nefa samy ao Toamasina tampon-tanàna ihany ny ankamaroan’ireo mpiandraikitra ny birao fandatsaham-bato. 42,70% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ka nahazo ny salan’isa 61,88% ny kandida Rajaonarimampianona Hery ary 38,12% ny an’ny kandida Robinson Jean Louis. Ho an’ny solombavambahoaka kosa dia 42,15% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ka nahazo ny salinisa 35,33% ny ekipan’ny kandida Ndahimnananjara Johanita, manaraka azy ny kandida Benessy Harison (15,86%), fahatelo ny kandida Mahasahy Chantal (13,43%), fahaefatra ny kandida Sampivony Claudine (07,35%), ary fahadimy ny kandidan’ny MTS Razafimanana Jean Christian (4,85%). Vokatra vonjimaika ihany anefa ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.