Politique

TIM sy ny raharaham-pifidianana “Aza mifampihatsaravelatsihy fa omeo ny zonay”


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Nanamarika ny Antoko TIM omaly nandritra ny fanasan’ny CENI nanaovana tatitra sy nandraisana soso-kevitry ny mpisehatra momba ny fifidianana,

fa mba mahafaly ny fitomboan’ny mpanatrika tamin’ny fanasan’ny CENI satria teo aloha dia nisy ireo tsy tazana. Momba ny tatitra momba ny antontan’isa dia naneho ny TIM tamin’ny alalan’ny mpandrindra Nasionaliny Atoa Rakotonirina Jean Claude fa hita tokoa ny fiakarany satria 8% tamin’ny fihaonana farany, lasa 37,31%. Milaza io antoko io fa mametraka andrimaso manerana ny Nosy, ary naneho sy niantso fa raha miresaka mangarahara ihany dia tokony hisy tatitra isan’andro tahaka ny tamin’ny covid-19 satria somary nihazakazaka ihany izany 8% lasa 37%. Misy mpanao gazety havanana tokony ho afaka manao izany, hoy Atoa Rakotonirina Jean Claude. Nanao tsindro-paingotra kosa ny TIM manoloana ny hoe: CENI dia milaza fa antoky ny fahombiazan’ilay fanaovazana ny lisi-pifidianana ny fandraisan’ny Antoko politika anjara. “Tsy afaka ny handray andraikitra izahay Tompoko, raha tsy homena anay ny zo fototra anananay ahafahanay maneho hevitra malalaka. Manao fangatahana mamory olona amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny antoko, ny kabarin’ny filohan’ny TIM tsy nitsahatra nanentana ny olona manentana ny olona hisoratra anarana sy hanara-maso,… Mbola mitohy foana anefa ny sakantsakana atao aminay tsy hamory vahoaka hanao izay andraikitra izay. Fahazoan-dàlana avoakan’ny Prefet androany foanany rahampitso, ka izany rehetra izany no mbola hanentananay hoe: raha hifanome tànana ahitana vokatra isika aza mifampihantsara ivelatsihy eto, fa omeo ny zo fototra anananay ahafahanay manao ny andraikitray”, hoy Atoa Rakotonirina Jean Claude. Isan’ny nanatrika anio fotoana io moa ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin izay naneho, fa tsy misy sakantsakana izany rehefa ao anatin’ny fanarahan-dalàna.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT