Nanao fanambarana niraisana ary dia nilaza fa manohana ny haha praiminisitra ny olony, dia Rtoa Naika Eliane sy Ingahy Manandafy Rakotonirina ary Atoa Botozaza Pierrot ny Antoko Tiako I Madagasikara sy ny MFM ao Antsirabe.
Raha ny fanazavana nomen’ireo mpitarika dia tsy maintsy ho avy amin’ny Ankolafy telo ny ho Praiminisitra ary dia mahafeno tanteraka ny fepetra amin’izany ireo olona tohanan’izy ireo satria raha Ingahy Manandafy Rakotonirina dia olon’ny Politika sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, efa notendren’ny Filoha Marc Ravalomanana ho Praiminisitra kanefa dia nogadrain’ny FAT. Etsy andaniny dia olona afaka hitantana io toerana io ihany koa Rtoa Naika Eliane izay loholona teo aloha ary anisan’ireo nandresy lahatra ireo Vondrona iraisam-pirenena tsy hankato ny fitondrana FAT ka nahavita izany iraka izany. Inoana fa hitokian’ny vondrona iraisam-pirenena ihany koa izy amin’ny famerenana izany andraikitra izany.
Raha ingahy Botozaza Pierrot dia Teknisianina feno ary mahafehy tsara ny fifandraisana iraisam-pirenena ary efa minisitra sy solombavambahoaka ihany koa. Nambaran’ireo nandaha-teny koa fa raha tiana ny hisian’ny tena fifandanjana sy fitoniana dia rariny raha olon’ny ankolafy Ravalomanana no mitana io toerana io satria i Andry Rajoelina sy ny filoha Ravalomanana no mpifanandrina nivantana fototr’izao krizy izao. Nolazain’ireo mpitarika ny TIM sy ny MFM ao Antsirabe ihany koa fa tsy Rajoelina no misafidy fa mpanendry sy manao sonia izay tapaky ny rehetra fotsiny ny tenany satria ny mpanao politika no misafidy izay tena iraisan’ny rehetra. Nohamafisin’izy ireo moa fa matoa tsy nahatafavoaka baolina ny FAT tao anatin’izay telo taona latsaka izay dia tsy maintsy mila ny Ankolafy telo ka tsy marina ny filazana fa kely hery izy ireo. Nitarika ity fihaonana ity moa ny Depiote teo aloha José Randrianantenaina avy amin’ny TIM sy Atoa Razafimahatratra Marcel avy amin’ny antoko MFM.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.