Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hamboletra sy ny kajikajy tamin’ny fampandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana ny solombavambahoaka avy amin’ny TIM, MAPAR, MMM, ary ny tsy miankina raha havoitra ny fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra ny alahady lasa teo.
Marihina, fa somary nikorontana ihany ny fandefasana azy io satria tapaka ny fandehanan’ny haino aman-jery Malagasy tamin’ny CANALSAT noho ny ambaran’ny CANAL+ ny fisian’ny olana ara-teknika nitranga teo anivon’ireo mpandraharaha mpamatsy miara-miasa aminy avy any Paris. Maro kosa no nihevitra, fa kajikajy maloto no tao ambadika. Rehefa dinihina, dia efa manana ahiahy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sahady izy ireo, ary nampahatsiahivin’ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa (TIM) ny fifanarahana momba ilay “pacte de responsabilité” soson-kevitr’io andrim-panjakana io ny volana jolay 2015, saingy aiza izany izao? Izahay matoa nandà ary tafaraka tahaka izao, dia nahatsapa fa nolalaovina fotsiny taorian’ny fitsipahana ny filoha, hoy ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa. Kajikajy maloto no betsaka, ary karazan’ny filam-boatsiary sy famerezan-jo ilay hoe “bulletin N°2”, ka tsy ekenay hatramin’ny farany io na inona na inona hiseho eto amin’ny teny sy ny fanjakana, ary tsy misy olona azo ahilika eto, indrindra raha fifidianana hatao ho an’ny Malagasy ary fitsarana natao ara-politika, izay azo hiandian-kevitra, hoy hatrany izy. Manoloana ny fiarahan’ny TIM sy MAPAR, dia nisy ny taona 2009, hoy izy, ka hifanekena izany ary afaka mifamela, izay notsiahiviny fa isan’ny may ny tranony. Tadiavina ny fitoniana sy ny fampihavanam-pierenena, ary fampihavanana efa vita izao, hoy kosa ny depiote Tinoka Roberto (MAPAR). Raha handeha ny fifidianana, dia mety ho fifaninana masina amin’izay satria isan’ny goavana eto amin’ny firenena izany TIM sy MAPAR izany, raha ny nambarany. Mety hisy fitoniana kokoa raha ny iray amin’ireo no lany, raha ny fanehoan-keviny. Tsy nisalasala ity depiote ity nilaza, fa miala dia mikisaka amin’ny sisiny no tena fahendrena ho an-dRajaonarimampianina, fa tsy manao zavatra mamoafady. 87 ny fanitsiana ary 27 ny nampidirina, ka tsy marina ny filazana fa 47 ny fanintsiana noraisina, raha ny fanazavan’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, mpisolovava no sady mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena moa. Izay netinety tamin’ny mpitondra ihany no nampidiriny. Raha hendry ianao dia mba henoy ihany, hoy hafatra nataony miantefa amin’ny filoham-pirenena. Mazava ny làlana hatreto, fa tsy hanaiky lembenanana amin’ny tsy rariny sy ny fampiharana bontolo io lalàna hiteraka savorovoro io ireo depiote TIM sy MAPAR. Ny 21 aprily izao, dia hisy ny tatitra sy famoriam-bahoaka hataon’izy ireo eny anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely, izay nambara fa tsy hihemotra na hinon-kidona na inon-kitranga.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.